إعدادات العرض
Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro
Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro
Tatitra azo avy tamin'i Abdo rahmani Abdullah Ibn Massoud (R.A) niteny hoe : Niteny taminay i Mpaminany (S.W.A) ary Izy ilay marina mahafatoky indrindra : "Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro (Izy dia ranon'aina), avy eo lasa vongan-drà mandritra ny fotoana mitovy amin'izany, avy eo lasa vainga-nofo mandritra ny fotoana mitovy amin'izany ihany koa. Avy eo alefa aminy ny Anjely ka mitsoka ny aina ao Aminy, ary iray hanoratra zavatra efatra: hanoratra ny anjaram-pivelomany, sy ny fe-potoana hiainany, sy ny asany, ary Olon'ny fijaliana ve izy sa Olon'ny fiadanana. Ary Izaho dia mifanta amin'I Tompo Allah, izay tsy misy tompo mendrika ho tompoina marina ankoatra Azy, fa tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Paradisa (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Afobe Izy, dia miditra amin'izany. Ary tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Afobe (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka Azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy, dia miditra amin'izany ".
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Română Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Niteny i Ibn Massoud (R.A) fa hoe : Niresaka taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.A.W) ary Izy tokoa no ilay marina mahafatoky amin'ny Teny rehetra izay nolazainy, ary tena azo itokisana Satria i Tompo Allah ilay avo Tsitoha efa nahatoky Azy. Hoy Izy (S.A.W) hoe : Marina tokoa fa ny iray Aminareo dia atambatra sy avory ny fomba izay nohariana Azy, ary izany dia Satria raha misy lehilahy manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny, dia angonina ao an-kibon'ilay vehivavy mandritra ny Efapolo Andro ny tsirinainy ary mijano ho tsirinaina ihany izany. Avy eo lasa vaingan-drà izay mafy sy mahery, izany dia ao anaty Efapolo Andro faha-roa, Avy eo lasa nofonkena izay mitovy amin'ny halebean'ny vongan-kena mety ho tsakona, ary izany dia amin'ny Efapolo faha-telo, Ary i Allah naniraka ny Anjely hankeo aminy, ary Izy nitsoka fanahy tao anatiny, rehefa tapitra ny efa-polo andro faha-telo. Nasaina nanoratra teny Efatra ny Anjely : Ny anjarampivelomany, dia ny habetsahan’ny fahasoavana ho azony mandritra ny androm-piainany. Sy ny fe-potoanany, izany dia fe-potoana izay hiainany eto an-tany, Ary ny asany, inona izany? ho sahirana na koa ho sambatra. Avy eo dia nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.A.W) fa misy olona mety miasa sy manao ny Asan'ireo vahoaka mponinan'ny Paradisa ary izany asa ataony izany dia Asa marina, izany hoe : amin'ny arakan'ny zavatra sy fomba ahitan'ny olona Azy, ary hitoetra ho toy izany Izy mandra-pahatongavan'ny fotoana manelanelana Azy sy ny Paradisa toy ny sandry iray, izany hoe : ny sisa tavela teo anelanelany sy ny Paradisa dia ny halavan’ny sandry teo Aminy ka nahatratra Azy ny lahatra izay efa vosoratra ao amin'ny Bokiny dia lasa manatanteraka ireo Asa ratsy amin'ny Asan'ireo vahoakan'ny mponin'ny Afobe ka hofaranana any amin'ny izany Izy dia ahiditra ao amin'ny Afobe; Satria ny fepetra handraisana ny asa soa dia ny fijanonana Aminy fa tsy mivadika, ary sasany kosa dia manao ny Asan'ireo Olon'ny Afobe ka rehefa manakaiky ny hiditra ao Aminy, ny manelanelana Azy sy ny Afobe dia tahaka ny manelanelan'ny ratsan-tanana sy ny kiho, dia handresy azy ny Bokiny sy izay nalahatra ho Azy dia manao Asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy ka dia ahiditra any amin'ny Paradisa.فوائد الحديث
Fanambarana ny dingana amin'ny fanamboarana ny Olombelona.
Ny finoana ny Anjara sy ny Lahatra
Fihafaran'ny raharaha dia miankina amin'ny lahatra izay nandaharany Tompo Allah Azy sy nandaminana Azy.
Fampitandremana fatratra mba tsy ho voafitaka eo amin'ny sarisarin'asa. Satria ny Asa dia mifototra amin'ny fiafaran'izy ireo ihany.
