إعدادات العرض
“Hisy antokon’ny vahoakako hahery, mandra-pahatongan’ny didin’I Allah aminy, ary mbola mandresy izy ireo”
“Hisy antokon’ny vahoakako hahery, mandra-pahatongan’ny didin’I Allah aminy, ary mbola mandresy izy ireo”
Tatitra azo avy amin'i Al-Moghira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hisy antokon’ny vahoakako hahery, mandra-pahatongan’ny didin’I Allah aminy, ary mbola mandresy izy ireo”.
الترجمة
العربية Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Bahasa Indonesia Kiswahili Hausa සිංහල English ગુજરાતી Magyar ქართული Română Русский Português ไทย తెలుగు मराठी دری Türkçe አማርኛ বাংলা Kurdîالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa hisy antokon’ny vahoakako hanohy handresy ny olona, handresy izay manohitra azy, mandra-pahatongan’ny didin’Allah amin’izy ireo haka ny fanahiny amin’ny faran’izao tontolo izao, fotoana alohan’ny hahatongavan’ny Ora farany.فوائد الحديث
Fahagagana miharihary nataon'ny Mpaminany (S.A.W), ary mbola hitohy hatramin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) ary mbola hitohy hatramin'izao, ary hitohy mandram-pahatongavan'ny didin'Allah voalaza ao amin'ny hadith.
Ny hatsaran’ny fitazomana amin’ny fahamarinana sy ny fiasana amin’izany, ary ny famporisihana hanao izany.
Misy karazany roa ny fandresen’ny fivavahana : na ny fipoirana amin’ny alàlan’ny tohan-kevitra, ny fanazavana, ary ny porofo, na ny fivoahana amin’ny alàlan’ny hery sy ny lalàna, ary ny fandresena dia mitoetra amin’ny alàlan’ny fifamaliana sy ny fanazavana. Satria ny porofon'ny finoana Silamo dia ny CORAN, ary miharihary sy manjaka amin'ny zavatra hafa rehetra, fa ny karazana fisehoana faharoa, dia ny fanehoana ny hery sy ny fahefana, dia araka ny finoana sy ny fanomezan-kery eto an-tany.