إعدادات العرض
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe…
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana)
Tatitra azo avy amin'i Omari Ibn Al-Khatab (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Mamporisika atsika i Mpaminany (S.A.W) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.فوائد الحديث
Ny hatsaran'ny fitokisana, ary izany tokoa no iray amin'ireo antony lehibe indrindra hahazoana ny anjara masoandro.
Ny fahatokisana dia tsy manafoana ny fanatanterana anton-javatra, Satria Nilaza Izy fa ny fahatokisana marina dia tsy mifanohitra velively amin'ny fivoahana maraina sy ny hariva ho fandehanana amin'ny fitadiavana ny anjara masoandro.
Ny mahazava-dehibe ny lalàna Islamika dia miainga amin'ireo asan'ny Fo; Satria ny fitokisana dia asa amin'ny fo.
Ny fifantohana amin'ny antoy fotsiny dia tsy fahampiana ara-pinoana, ary ny fialana amin'ny antony dia midika tsy fahampian'ny Saina.
