إعدادات العرض
“Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.”
“Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.”
Tatitra azo avy tamin'i Al-Miqdad Ibn Al-aswad (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : “Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.” Hoy i Solaym bin Amir : “Mianiana amin'I Allah aho fa tsy fantatro izay atao hoe maily? Ny halaviran’ny tany, sa ny tehezan’ny maso, niteny Izy : “ny olona dia arakaraky ny asa soa vitany amin'ny hatsembohana, misy ny hoe eo amin'ny kitrokeliny, ary ny sasany eo amin'ny lohalika, ary ny sasany dia hatreo amin’ny valahany, ary ny sasany difitry ny hatsembohana.” Hoy izy : “Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanondro teo amin'ny vavany".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Português ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia hatonina akaiky kokoa amin'ny zavaboary ny masoandro ary hanakaiky kokoa ny lohany toy ny halavirana iray metatra. Hoy ny Tabi'i Salim bin Aamer : Mianiana amin'I Allah aho, tsy fantatro hoe iza amin'ireo roa metatra amiko, ny halaviran'ny tany, sa ny metatra izay asian'ny maso amin'ny maso? Hoy izy : Hovaliana araka ny asany izy ireo. Misy hatsembohany hatreo amin’ny kitrokeliny, ny sasany latsaka lohalika, ny sasany midina hatreo amin’ny andilany sy ny fehin-dambany, ary misy ny hatsembohana tonga eny amin'ny vavany ka manakana azy tsy hiteny. Hoy izy : Nanondro ny vavany tamin'ny tànany ny Mpaminany (S.A.W).فوائد الحديث
Fanazavana ny horohoron’ny andro fitsanganana amin’ny maty sy mampitahotra azy ireo.
Ho ory ny olona amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty amin’ny toe-javatra iray araka ny asany.
Famporisihana ny asa tsara sy fampitahorana ny asa ratsy.
التصنيفات
Ny fiainana any an-koatra