Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy

Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amro Ibn Al-Asi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fahombiazana ho an'izay niditra amin'ny finoana silamo, ary nomena anjara ampy azy ary afa-po amin'izay nomen'I Allah azy."

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa nandresy sy nahomby izay nanaiky ny Tompony ary notarihina nanaraka ny finoana silamo, ary nomena izay anjara madio araka izay ilainy, tsy misy fanampiny na fanesorana, ary nataon’I Allah ho resy lahatra sy afa-po tamin’izay nomeny azy.

فوائد الحديث

Ny fahasambaran’ny olona iray dia miankina amin’ny fahatanterahan’ny fivavahany, ny fahampian'ny anjarany ary ny fahafaham-po amin’izay nomen’I Allah azy.

Famporisihana hiaina amin'izay nomena anao eto an-tany miaraka amin'ny finoana Silamo sy ny Sonnah.

التصنيفات

Fanamelohana ny fitiavana ny fiainana eto an-tany