Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”

Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”

Tatitra azo avy tamin'i Obada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì]

الشرح

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ao amin'ny Paradisa any ankoatra dia misy ambaratonga sy toeram-boninahitra zato, ary ny elanelana misy eo amin'ny ambaratonga roa dia mitovy amin'ny elanelan'ny lanitra sy ny tany, ary ny avo indrindra amin'ireo paradisa dia ny Paradisan’i Firdaws, izay ivoahan’ireo renirano efatra ao amin’ny Paradisa, ary eo ambonin’ny Al-Firdaws no misy ny Seza fiandrianana; Raha mangataka amin’I Allah ianao dia angataho Aminy ny Paradisa. Izay eo ambonin'ny Paradisa rehetra.

فوائد الحديث

Ny mponin’ny Paradisa dia hiovaova ao an-tranony, araka ny finoana sy ny asa soa.

Famporisihana hangataka amin’I Allah ny Al-Firdaws ilay avo indrindra.

Al-Firdaws no paradisa avo indrindra sy tsara indrindra.

Ny mpino silamo dia tokony hanana hetaheta ambony ary hiezaka sy hikatsaka ny toerana ambony sy ny tsara indrindra amin'I Allah Tsitoha.

Ny renirano efatra amin'ny Paradisa dia ny reniranon'ny rano, ronono, divay ary tantely voatonona ao amin'ny CORAN ao amin'ny tenin'ny Tsitoha manao hoe : {Ny endriky ny Paradisa izay ampanantenaina ny olo-marina dia hisy : renirano tsy miandrona ary reniranon-dronono tsy niova ny tsirony ny reniranonin'ny divay matsiro ho an'ny mpisotro ary reniranonin'ny tantely voadio.” [Mohammad: 15].

التصنيفات

Ny finoanana ny fisiany andro farany :, Ny fiainana any an-koatra, Ireo Douan voaporofo fa nataon'ny mpaminany