إعدادات العرض
“Tsy atokisanareo ve aho, nefa izaho azo itokisana amin'izay hafatra avy any an-danitra, ary tonga eo amiko ny fanambarana avy any an-danitra maraina sy hariva.”
“Tsy atokisanareo ve aho, nefa izaho azo itokisana amin'izay hafatra avy any an-danitra, ary tonga eo amiko ny fanambarana avy any an-danitra maraina sy hariva.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) niteny izy : Ali bin Abi Talib (R.A) nandefa tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) avy any Yemen ny sombin-bolamena vita amin'ny hoditra nopotehina izay tsy nangonina tamin'ny taniny. Nozarainy tamin'ny olona efatra izany, Dia i Uyaynah bin Badr, Aqra' bin Habis, ary Zayd Al-Khail, ary ny fahefatra : na i Alqamah na i Amer Ibn At-tofail, avy eo dia nisy lehilahy iray avy amin'ny namany niteny hoe : Mendrika an'izany izahay noho ireo olona ireo, niteny izy : Notaterina tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izany, ka hoy izy : “Tsy atokisanareo ve aho, nefa izaho azo itokisana amin'izay hafatra avy any an-danitra, ary tonga eo amiko ny fanambarana avy any an-danitra maraina sy hariva.” Hoy izy : Avy eo dia nitsangana ny lehilahy iray manjelanjelatra ny takolany, ny handriny mijoalajoala, ny volombava matevina, ny lohany voaharatra, ary ny akanjony dia voahosotra. Hoy izy : “Ry Irak'Allah, matahora an'Allah ianao". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Indrisy, tsy izaho ve no mendrika indrindra amin’ny olona eto an-tany mba hatahotra an’Allah? Hoy izy : Dia lasa ilay lehilahy, ary hoy i Khaled bin Al-Walid : Ry irak'Allah, tsy tokony hotapahiko ve ny lohany? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Tsia, angamba mivavaka izy.” Hoy i Khaled : Firy ny olona izay mivavaka amin’ny vavany no miteny izay tsy ao am-pony, hoy ny irak’Allah (S.A.W) : "Tsy nodidiana aho hanindrona ny fon'ny olona na hanapaka ny kibon'izy ireo." Hoy izy : “Dia nijery azy teo am-pitsanganana izy ka niteny hoe : “Eny tokoa, avy amin’ity lavaka ity no hivoahan’ny olona izay mamaky ny Bokin’Allah amin’ny fomba vaovao, nefa tsy mihoatra ny tendany izany, hilevona aminy finoany tahaky ny hafainganam-pandehan'ny balapilesy makany amin'ny lasibatra". Heveriko fa niteny izy hoe : "Raha tratrako izy ireo dia ho vonoiko tahaka ny namonoana an'i Thamod".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog Tiếng Việt ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî অসমীয়া Nederlands Kiswahili සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Português ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
I Ali bin Abi Talib (R.A) dia nandefa tany amin’ny irak’Allah (S.A.W) avy any Yemen ny tapa-bolamena vita amin’ny hoditr’omby nofonosina tamin’ny qardh tsy afaka tamin’ny vovony, ka niteny hoe : Dia nozarain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny olona efatra izany : i Uyaynah bin Badr Al-Fazari, Aqra’ bin Habis Al-Hanzali, Zaid Al-Khail Al-Nabhani, ary Alqamah bin Ulatha Al-Amiri, ka hoy ny iray tamin’ireo mpanaradiany : Mendrika an'izany izahay noho ireo olona ireo : Tonga tamin'ny Mpaminany izany resaka izany, dia hoy izy manao hoe : “Tsy matoky ahy va ianareo, nefa izaho azo antoka any an-danitra, rehefa tonga amiko maraina sy hariva ny vaovao avy any an-danitra?” Hoy izy : Dia nitsangana ny lehilahy anankiray, ny masony lalina teo amin’ny faladiany, ny takolany nisondrotra sady avo, ny handriny avo, ny volombavany tsy lava, matevina, ny lohany voaharatra, nanandratra ny akanjony izay nanarona ny ambanin’ny tenany, dia niteny izy hoe : O ry Irak'Allah, matahora an'Allah ianao, dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Lozanao, tsy izaho va no mendrika indrindra amin’ny olona ambonin’ny tany hatahotra an’Allah?!" Hoy izy : Avy eo dia lasa ilay lehilahy, ka niteny i Khalid bin Al-Walid. Ry irak'Allah ô, tsy tokony ho tapahiko va ny vozony? Hoy izy (Mpaminany) : Tsia, angamba mivavaka izy. Dia hoy i Khalid : Firy amin’ny mpivavaka no miteny amin’ny lelany izay zavatra tsy ao am-pony, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Tsy nodidiana aho handavaka ny fon’ny olona na hanokatra ny kibony; Nodidiana aho mba handray ny ety ivelany amin’ny raharahan’izy ireo. Dia niteny izy : Dia nijery azy teo am-pitsanganana izy ka niteny hoe : Avy amin’ny taranak’io lehilahy io sy ny mpiara-dia aminy na ny fokony no hivoahan’ny olona mahay mamaky ny Bokin’Allah amin’ny feo kanto, ny lelany dia malefaka noho ny famakiana azy matetika, saingy tsy mihoatra ny tendany ny Coran izay vakiany ka tsy takatry ny fon’izy ireo, ary tsy mampiakatra na manaiky izany Allah, dia hiala amin'ny finoana silamo m tahaka ny fivoahan'ny zana-tsipìka, haingana sy maivana. Heveriko hoy izy hiteny hoe : Raha tratrako amin'ny fikomian'izy ireo amin'ny finoana silamo dia hovonoiko mafy tahaka ny vahoakan'i Thamod.فوائد الحديث
Ny fandeferan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny faharetany manoloana ny fanaratsiana.
Manaporofo ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ary izay nomena azy dia fanambarana avy amin'I Allah.
Fiaraha-miasa amin'ny olona araka izay hitany, ary Allah no miandraikitra ny tsiambaratelony.
Fanomezam-boninahitra ny hasarobidin'ny vavaka, ary tsy ho vonoina izay mivavaka afa-tsy noho ny finoana Silamo.
Ny loza ateraky ny Khawarij, ary raha miady izy ireo dia azo atao ny miady aminy mba hialana amin'ny loza.
Hoy i Al-Nawawi : Famporisihana hiady amin'izy ireo ary hasin'i Ali (R.A) tamin'ny fiadiana amin'izy ireo.
Ny maha-zava-dehibe ny fandinihana ny CORAN, ny fahatakarana izany, ny fampiharana azy ary ny fanarahana azy.