Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”

Tatitra azo avy amin'i Nomani Ibn Bashir (R.A) : Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : "Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanambara tamintsika i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona izay hijaly kely indrindra amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia izay manana kapa sy kitrokely izay mampangotraka ny atidohany ny hafanany, toy ny vilany varahina mangotraka, ary tsy hitany fa misy olona ampijaliana mafy kokoa noho izy, ary izy no kely indrindra amin'ireo fijalina, ka ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina no hitambatra aminy.

فوائد الحديث

Fampitandremana ho an’ireo tsy mankatò sy tsy mino ny amin’ny horohoron’ity fampijaliana any amin’ny helo ity. Mba manalavitra izay ahatongavany.

Ny toerana hidiran'ireo izay miditra amin'ny helo dia hiova arakaraka ny asa ratsy nataony.

Ny hamafin'ny fampijalian'ny helo, Allah Tsitoha anie hiaro antsika amin'izany.

التصنيفات

Endriky ny Paradisa sy ny Afobe