Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro

Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ireo mpino silamo, nampianatra azy ity Doan ity i Mpaminany (S.A.W) : "Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro. Allah ô! Mangataka Aminao ny soa nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao taminao aho, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy izay nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao ny momba azy. Allah ô! mangataka Aminao ny Paradisa aho, ary na inona na inona teny na asa izay mampanakaiky ahy amin’izany, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny Afobe sy izay rehetra mampanakaiky azy amiko. ary mangataka Aminao aho mba tsara daholo ny didy izay nalahatrao amiko".

[Mari-pototra]

الشرح

Nampianatra i Mpaminany (S.A.W) ireo vondron'ny Doan rehetra, ary efatra izy ireo : Ny voalohany : Fitalahoana faobe ho an'ny soa rehetra : (Allah ô, mangataka Aminao aho ny amin'ny soa rehetra) sy ny fitambarany rehetra, (ny ankehitriny) izay akaiky amin'ny fotoany, (sy ny ho avy) izay lavitra, (izay fantatro) izay nampianarinao ahy, (sy izay tsy fantatro), izay ao amin'ny fahalalanao. Ary ao ny fanolorana ny raharaha rehetra ho an’I Allah, ilay Mahalala ny zava-drehetra sy tsara fanahy. Koa Allah ilay Tsitoha no misafidy ny tsara indrindra sy ny mendrika ho an'ny mpino silamo, (ary mitady fialofana aho) ary mifikitra mafy aho ary mitady fiarovana (Aminao amin'ny ratsy rehetra, na ankehitriny na ho avy, izay fantatro momba izany sy izay tsy fantatro). Ny fitalahoana faharoa : dia ny fiarovana ny mpino silamo tsy hivadika amin’ny Doan (Allah ô, mangataka Aminao aho) ary miangavy anao (amin’ny tsara indrindra nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao S.A.W) (ary mitady fialofana aho) ary mitady fiarovana sy mialoka Aminao aho (amin’ny ratsy izay nitadiavan’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao S.A.W) ity Doan ity dia nangatahan'ny mpanompo iray ireo zavatra nangatahan'ny Mpaminany Mohammad ho an'ny tenany, tsy nitanisa izay karazana vavaka nataon'ny Mpaminany (S.A.W). Ny fitalahoana fahatelo : Mangataka ny hiditra ao amin'ny Paradisa sy manalavitra ny helo, izay takian'ny mpino silamo tsirairay sy ny tanjon'ny asany : (Allah ô, mangataka Aminao aho ny Paradisa) mba hahazo izany (ary ireo teny na asa mampanakaiky ahy) izay tsara sy mampifaly Anao (ary mangataka fiarovana Aminao amin'ny helo aho) satria tsy misy fiarovana amin'ny asa ratsy indrindra afa-tsy amin'ny hatsaram-panahinao (ary ireo teny na fihetsika mampanakaiky ahy aminy) toy ny fahotana izay miteraka ny fahatezeranao. Fitalahoana fahaefatra : Ny fitalahoana ho afa-po amin’ny didin’I Allah (ary mangataka Aminao aho mba hanatsara ny didy rehetra izay nalahatrao ho ahy) sy ny zavatra rehetra nandidian’I Allah ahy mba hahasoa ahy ary ho afa-po amin’ny didin’I Allah.

فوائد الحديث

Fampianaran'ny olona ny fianakaviany izay mahasoa azy ireo amin'ny raharaha ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany, araka ny nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W) an'i Aisha.

Tsaratsara ho an'ny mpino silamo ny manao tsianjery ny Doan azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), Satria anisan'ireo Doan mandrakotra zava-drehetra izy io.

Hoy ny manam-pahaizana momba ity hadith ity : Io no hadith feno indrindra momba ny fangatahana ny tsara sy ny fialofana amin'ny ratsy.

Iray amin’ireo antony hidirana ao amin’ny Paradisa aorian’ny famindram-pon’I Allah dia : ny asa sy ny teny tsara.

التصنيفات

Ireo Douan voaporofo fa nataon'ny mpaminany