إعدادات العرض
Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray
Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray
Tatitra azo avy tamin'i lehiben'ny Mpino Silamo Abo Hafsi Omar Ibn Al-Khattoabo (R.A) niteny : Izaho nandre an'i Mpaminany (S.W.A) niteny manao hoe : "Mifototra amin'ny finiavana ny asa rehetra, ary izay nokasainy ihany no valisoa ho azon'ny olona iray. Koa na iza na iza nanao fifindra-monina mankany amin'i Tompo Allah sy ny Irany, dia hahazo valisoan'ny fifindra-monina any amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary izay nanao fifindra-monina nohon'ny fiainana ety an-tany na vehivavy ho vadiny, dia noho izany tokoa no valisoa ho azony tamin'ilay fifindra-monina izay nataony”.
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Română Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny asa rehetra manan-kery dia miainga amin'ny finiavana, ary izany lalàna izany dia mihatra amin'ny endrika ankapobeny amin'ny asa fanompoana rehetra sy ny fifampiraharahana misy eo amin'ny fiainana, ka na iza na iza ny mikasa ny hanao asa hahazoany tombony dia tsy hahazo izany tombontsoa izany izy afa-tsy amin'izay nirihiny, fa tsy hahazo valisoa, ary izay mikasa hanatona an’i Allah ilay avo Tsitoha amin’ny asany dia hahazo hatsarana sy valisoa avy amin’ny asany Izy, na dia asa tsotra mahazatra azy, toy ny fihinanana sy ny fisotroana. Avy eo, i Mpaminany (S.A.W) nanome Ohatra hanehoana ny fiantraikan’ny finiavana amin’ny asa, na dia asa mitovy atao amin'ny endrika ivelany aza, ka nanazava Izy fa na iza na iza nikasa ny hifindra monina ka nandao ny tanindrazany hitady izay hahafaly ny Tompony, ny fifindra-monina izay ataony dia ara-dalàna sy azo ekena ary hahazo valisoa amin’izany izy noho ny fahadiovam-po nisy teo aminy, ary na iza na iza nikasa ny fifindrany mba hahazo tombony amin’izao tontolo izao, toy ny vola na voninahitra, na varotra, na vady, dia tsy hahazo valisoa afa-tsy izay nokasainy ihany, ary tsy hanana anjara amin’ny valisoa na tombontsoa hafa intsony Izy.فوائد الحديث
Famporisihana amin'ny fahadiovam-po, satria Tompo Allah tsy mandray ny asa afa-tsy izay natao noho Izy ihany.
Ny asa izay mety hahatonga ny Olona iray hanakaiky kokoa an'i Allah ilay avo Tsitoha, raha manao izany ho fahazarana ny Olona iray dia tsy hahazoany valisoa izany, mandrampikasany izany ho an'Allah.
Ny fikasana dia manavaka ny fanompoam-pivavahana amin'ny fanompoana hafa sy ny fanompoam-pivavahana amin'ny fomba fanao.
