إعدادات العرض
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”
Tatitra azo avy tamin'i Al-Hasan niteny : Niteny taminay i Jondob bin Abdollah (R.A) tamin'ity moske ity, Tsy adinonay hatramin’ny nilazanay izany, ary tsy natahotra izahay sao i Jondob nandainga tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izay nilaza manao hoe : “Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português മലയാളം Kurdî Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili ગુજરાતી සිංහල Magyar ქართული Română ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa tamin’ireo izay tonga teo alohanay dia nisy lehilahy iray izay naratra ary tsy nahazaka ny fanaintainana, ka nandray antsy izy ary nanapaka ny tànany tamin’izany, manafaingana ny fahafatesana dia tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny i Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.فوائد الحديث
Ny valisoan’ny faharetana eo anatrehan’ny fahoriana, ary ny fifadiana tsy ho sasatra amin’ny fanaintainana sao mitarika fanaintainana mafy kokoa.
Ny firesahana momba ny vahoaka taloha, dia manambara ny tsara sy ny torohevitra.
Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny fijoroana ho an'ny zon'I Allah sy ny famindram-pony amin'ny zavaboariny, satria nandrara azy ireo tsy hamono ny tenany Izy, ary an'Allah ny fanahy.
Fandrarana ny fampiasana ny antony mahatonga ny famonoana tena, ary ny fandrahonana mafy amin'izany.
Hoy I Ibn Hajar : Midika izany fa notapahiny ho an'ny fahafatesana izany fa tsy natao hitsaboana, izay mety hahasoa indrindra.
التصنيفات
Fanamelohana ny ota