إعدادات العرض
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.
الترجمة
العربية Tiếng Việt অসমীয়া Bahasa Indonesia Nederlands Kiswahili Hausa සිංහල English ગુજરાતી Magyar ქართული Română Русский Português ไทย తెలుగు मराठी دری Türkçe አማርኛ বাংলা Kurdîالشرح
Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Tsitoha dia miteny ao amin'ny hadith masina manao hoe : Manimba sy manao tsinontsinona Ahy ny olona manozona sy manao tsinontsinona ny fotoana iavian'ny loza sy ny ratsy; Satria Izy ilay be Voninahitra, Izy irery ihany no mitantana sy mandrindra ny zava-mitranga. Ny fanompana ny fotoana dia fanozonana an’I Allah Tsitoha, ary ny fotoana dia zavaboary voafehy, izay misy ny zava-mitranga avy amin’ny didin’I Allah Tsitoha.فوائد الحديث
Ity Hadith ity dia anisan'ny notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ary antsoina hoe hadith Al-Kodsi (masina) na avy amin'I Allah ny teniny sy ny heviny, fa tsy misy aminy kosa ireo zavatra mampiavaka ny Kor'any amin'ny zavatra hafa, toy ny fanompoana ny famakiana azy, mila madio rehefa mandray azy, ny fanamby, ny fahagagana ananany, sy ny hafa ankoatr'izany.
Ny fahalalam-pomba eo anatrehan’I Allah Tsitoha amin’ny teny sy ny finoana.
Voadidy ny finoana ny anjara sy ny lahatra, ary ny faharetana manoloana ny loza.
Fanimbana hafa ankoatry ny loza; Manelingelina ny olona iray ny mandre na mahita zavatra ratsy; Saingy tsy mampaninona azy izany, ary manelingelina azy ihany koa ny fofona ratsy toy ny tongolobe sy tongolo lay, saingy tsy manimba azy izany.
Allah Tsitoha dia voalingelina amin'ny sasany amin'ireo asa ratsy ataon'ny mpanompony, fa Izy, Ilay Avo Indrindra, dia tsy voan'ny ratsy amin'izany, araka ny voalazan'I Allah Tsitoha ao amin'ny hadith masina hoe : "Ry mpanompoko, tsy hahatratra Ahy na oviana na oviana ny ratsy ataonareo amiko, ary tsy hahazo tombony na oviana na oviana Aho amin'izay ataonareo".
Mizara telo ny fanevatevana sy fanoritsoritana ny fotoana : 1- Manozona ny fotoana toy ny hoe izy ilay nanao izany; Ary tonga ny fotoana hamadihana ny zavatra ho tsara sy ratsy! Izany dia fanompoan-tsampy lehibe tokoa; Satria nino izy fa misy Mpamorona miaraka amin’I Allah, ary noho izy nilaza ny famoronana zava-nitranga tamin’ny olona hafa ankoatra an’I Allah 2-Manozona ny fotoana fa tsy noho ny finoany fa Izy no nanao izany; Mino kosa izy fa Allah no nanao izany, nefa nanozona Azy satria Izy no loha-hevitra amin’ity raharaha maharikoriko Azy ity. Voarara izany 3-Mihevitra vaovao madio tsy misy tsiny; Azo atao izany, ary avy amin'izany ny tenin'i Lota (A.S) hoe : {Ary hoy izy : Andro sarotra izao}.