Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo

Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny : Ny hafatra ankapoben'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa tonga taminy ny fahafatesana dia : “Ny Swalat sy izay eo ambany fahefanareo, mandra-pahatongan'ny Mpaminany niala aina sy sempotra tamin'ny tratrany, ary saika tsy nahavita namoaka izany ny lelany.

[Mari-pototra]

الشرح

Ny ankamaroan'ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany fony izy teo amin'ny fahorian'ny fahafatesana, dia izao : Manolora tena amin'ny fivavahana ianareo ary mifikira amin'izany, ary aza manao tsinontsinona izany, ary tanteraho koa ny zon'ireo ambany fahefanareo amin'ny andevo lahy sy vavy, dia naveriny hatrany mandra-pialàn'ainy teo amin’ny tendany, ary zara raha nanonona izany ny lelany.

فوائد الحديث

Ny maha zava-dehibe ny vavaka sy ny zony eo ambany fahefana. Satria ny Mpaminany (S.A.W) no nanoro azy ireo ho toy ny zavatra farany natolony.

Anisan’ny zon’I Allah lehibe indrindra amin’ny mpanompony ny vavaka, ary anisan’ny zo lehibe indrindra amin’ny zavaboary ny fanatanterahana ny zon’ny zavaboary, indrindra fa ireo malemy sy ireo eo ambany fahefany ankoatra ny taranaka.

التصنيفات

Ny fahafatesan'ny Mpaminany (S.A.W), Ny mahavoadidy ny Swalat sy ny didim-pitsarana amin’izay manambela azy