إعدادات العرض
Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka
Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka
Tatitra azo avy tamin'ny Hanì, mpanampin'i Othman (R.A) niteny : Isaky ny nitsangana teo amin'ny fasana i Othman, dia nitomany mandra-paha lena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Nolazaina momba ny Paradisa sy ny helo ianao tsy mitomany, koa amin'ity ve vao mitomany? Namaly izy hoe : Tena marina fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fasana no dingana voalohany amin'ny fiainana any ankoatra, ka raha voavonjy amin'izany ny olona iray dia mora kokoa noho izany ny manaraka, ary raha tsy afaka ao dia ho mafy kokoa noho izany ny manaraka."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Português ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Rehefa nitsangana teo amin’ny fasana ilay lehiben’ny mpino silamo, Othman bin Affan (R.A), dia nitomany izy mandra-pahalena ny volombavany, ary nisy nilaza taminy hoe : Notsiahivina taminao ny Paradisa sy ny Helo, dia tsy nitomany ho fitsiriritana ny Paradisa na fatahorana ny Afobe! Nefa dia mitomany ianao rehefa mahita ny fasana? Namaly izy hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) nilaza fa ny fasana no dingana voalohany amin’ny fiainana any akoatra, ka raha voavonjy sy avotra amin’izany izy, dia mora kokoa noho izany ny dingana manaraka, ary raha tsy voavonjy amin'ny saziny, dia hahazo famaizana mafy kokoa noho ny izany.فوائد الحديث
Fanazavana ny fahatahorana an’Allah Tsitoha izay nananan’i Othman (R.A) na dia anisan’ireo nampanantenaina hiditra ny Paradisa aza ny tenany.
Azo atao ny mitomany rehefa mahatsiaro ny horohoron’ny fasana sy ny fitsanganana amin’ny maty.
Porofon’ny fahasambarana sy ny fampijaliana ao ampasana.
Fandrahonana ny fampijalian'ny fasana.
التصنيفات
Fahasahiranana ao am-pasana