إعدادات العرض
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria raha mifoha izy ka mahatsiaro an'I Allah dia mivaha ny fatorana iray, ary raha manao ozo izy dia mivaha ny fatotra iray, ary raha mivavaka izy dia mivaha ny fatorana iray, ka lasa mavitrika izy ary mahazo aina tsara, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy sy kamo.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Nederlands አማርኛ অসমীয়া Oromoo Tiếng Việt پښتو ગુજરાતી ไทย Română മലയാളം नेपाली Deutsch Кыргызча తెలుగుالشرح
Mitantara ny toe-piainan'i Satana ny Mpaminany (S.A.W) sy ny ady ataony amin'ny olona te hifoha hanao vavaka amin'ny alina na amin'ny maraina. Rehefa matory ny mpino dia mamatotra fatotra telo amin’ny lohany ny Satana - izany hoe : ny fiafaran'ny lohany. Raha mifoha ny mpino ka mahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha ary tsy mamaly ny bitsiky ny satana; dia mivaha ny fatorana iray. Raha manao ozo izy dia mivaha ny fatorana hafa. - Raha mitsangana izy ka mivavaka, dia mivaha ny fatotra fahatelo, ary lasa mavitrika sy tsara fanahy izy. Satria faly amin’ny fankatoavana nomen’I Allah azy izy, ka mifaly amin’izay nampanantenain’I Allah azy ny amin’ny valisoa sy ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fialan'ny fatotry ny satana eo aminy sy ny fampiraiketany azy, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy izy, malahelo am-po, kamo manao asa soa sy marina. Satria voafatotry ny tadin'ny Satana, ary lavitry ny fanantonana an’Ilay Be famindram_po.فوائد الحديث
Ny Satana dia mikatsaka mandrakariva ny lalana rehetra hidirana amin'ny olombelona; mba hisakanana azy tsy hankatò an’I Allah, ary tsy misy afa-mandositra ny mpanompo amin’i Satana raha tsy amin’ny alàlan’ny fitadiavana vonjy amin’I Allah ilay Tsitoha, sy amin’ny alàlan’ny fomba fisorohana sy fiarovana.
Ny fahatsiarovana an'I Allah sy ny fanompoana Azy dia miteraka fahazotoana ao amin’ny fanahy sy ny fifalian’ny fo, mandroaka ny hakamoana sy ny fahalainana, ary manala ny alahelo sy ny fankahalana. Satria izy io no mandroaka an’i Satana, ary izany dia avy amin’ny fibitsibitsiany.
Ny mpino dia faly amin’ny fanamaivanan’I Allah azy amin’ny fanatanterahana ny fankatoavana , ary ketraka amin'ny fanaovana tsinotsinona ny haavon’ny hatsaran-toetra sy ny fahafenoana.
Ny tsy fitandremana sy ny fijanonana amin’ny fankatoavana dia isany asan’i Satana sy fanaingona ataony.
Ireo zavatra telo ireo - ny fahatsiarovana an'I Allah, ny fanaovana Ozo ary ny vavaka- dia mandroaka an'i Satana.
Ny fatotra ataon’i Satana manokana eo amin'ny fiafaran'ny loha, satria izy io no foiben'ny hery sy sehetra iasany, ka raha fatorany eo aminy izy dia afaka anjakany ny fanahin'ny olona ary afaka ampatoriny.
Nilaza i Ibn Hajar al-Askalani : Nanonona ny alina izy tamin'ny fitenenany hoe : "Aminao ny alina", izay toa manondro manokana ny torimaso amin'ny alina.
Ibn Hajar Al-Askalani dia nilaza hoe : Tsy misy zikr manokana voalaza tsy ampy hisolo ny hafa ankoatrany, fa izay rehetra azo antsoina hoe fahatsiarovana an'I Allah dia ampy, ary ao anatin'izany ny famakiana ny Kor'any, ny famakiana ny hadith-n'ny Mpaminany, ary ny famenoana ny fotoana momba ny fahalalana Islamika, ny zavatra voalohany ho lazaina amin'izany dia ny tenin'ny Mpaminany : Izay voageja amin'ny alina, ka miteny hoe : (Lailaha Illallaho wahdaho la sharika laho, Lahol molko Wa lahol-hamdo wa howa alaa kolli shaiin kadir, Alhamdolillahi, Sobhanallahi, Lailaha ilallaho, Wallaho Akbar, Wa la haola wa laqowwata illa billahi, avy eo miteny hoe : Allahommaghfirli, na manaoa doan dia ho voavaly izy, raha nanao ozo dia hovoray ny vavaka nataony) Boukhari.