إعدادات العرض
“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy
“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy
Tatitra azo avy tamin'Ibn Massod (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy : “Ny fambolen-kazo ao aminy dia ny fitenenana Sobhanallah Walhamdoulillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Nederlands অসমীয়া Oromoo Tiếng Việt አማርኛ پښتو ગુજરાતી ไทย Română മലയാളം नेपाली Deutsch Кыргызча తెలుగుالشرح
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa nihaona tamin'i Ibrahim (A.S) tamin'ny Israa Wal Mi'raj, ary hoy izy taminy : Ry Mohammad : Ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabana avy amiko, ary ampahafantaro azy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka, rano mamy ary tsy misy masira ny ao aminy, ary malalaka sy lemaka ny Paradisa, tsy misy hazo, ary ny fambolena ao aminy dia amin’ny alàlan'ny teny tsara, ary ireny no asa tsara sisa tavela, dia ny : Sobhanallah Walhamdolillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar, ary isaky ny miteny sy mamerina izany ny mpino silamo iray dia misy hazo nambolena ho azy ao amin’ny Paradisa.فوائد الحديث
Mamporisika ny fahatsiarovana tsy tapaka mba hampitomboana ny zavamaniry ao amin'ny Paradisa.
Maneho ny hatsaran'ny vahoaka silamo; satria nandefasan'i Ibrahim (A.S) fiarahabana manokana.
Namporisika ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) i Ibrahim mba hankamaro ny fahatsiarovana an'I Allah ilay Tsitoha.
Nilaza i At-Tibi: Ny Paradisa dia midadasika, ary avy eo Allah, noho ny fahasoavany, dia nampisy hazo sy lapa tao aminy araka ny asan’ireo mpanatanteraka asa. Ny mpiasa tsirairay dia manana zavatra manokana ho azy noho ny asany, ary avy eo Allah, rehefa nanamora ny asa izay nahariana azy mba hahazoana izany valisoa izany, dia nohamorainy izany ho toy ny mpamboly ireo hazo ireo.
التصنيفات
Vokatsoan'ny fahatsiarovan an'Allah