إعدادات العرض
Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Nisy iray tamin'ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nahita ny Laylat al-Qadr tamin'ny nofy nandritra ny fito alina farany, ary hoy ny irak'Allah hoe : «Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Português Kurdî සිංහල Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Hausa Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Македонски ไทย Українська తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Ny sasany tamin'ireo mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita tamin'ny nofy fa ny Laylat al-Qadri dia hiseho amin'ny alina fito farany amin'ny Ramadany. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Hitako fa tamin’ny alina fito farany tamin’ny Ramadany no nitrangan’ny fahitanao, ka izay mikasa sy mazoto mitady izany, dia tokony hiezaka hitady sy hikatsaka izany amin’ny fanaovana asa soa maro, satria mety ho ao anatin’ny fito alina farany izy ireo, ary manomboka amin’ny alin’ny fahaefatra amby roapolo raha iray volana ny Ramadany dia telopolo andro, ary manomboka amin’ny alin’ny alin’ny fahatelo amby roapolo raha manana sivy amby roapolo andro ny volana.فوائد الحديث
Ny fahasoavan'ny Laylat al-Qadr sy ny famporisihana hitady izany.
Noho ny fahendren’I Allah sy ny famindram-pony, dia nafeniny ity alina ity mba hamporisika ny olona hivavaka, hitady izany, mba hitomboan’ny valisoany.
Ny Laylat al-Qadr dia ao anatin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary amin'ny fito andro farany no tena misy azy.
Ny Laylat al-Qadr dia iray amin'ireo alina folo farany amin'ny Ramadany, ary io no alina nampidinan'Allah ny KORAN tamin'ny Mpaminany (S.A.W), ary nataony tsara kokoa noho ny arivo volana io alina io noho ny fitahiany sy ny hasarobidiny ary ny vokatry ny asa soa ao aminy.
Nantsoina hoe (Laylat al-Qadr) izy io noho ny hevitr’izany, na avy amin’ny voninahitra, ka izany no ilazana hoe : Tena sarobidy i ranona, ka ny fanampiana ny teny hoe alina dia midika hoe manampy zavatra amin’ny famaritana azy, izany hoe ny alina manan-kaja, izay midika fa manana voninahitra, famirapiratana, toerana, sns., “Eny tokoa, nampidina izany tamin’ny alina feno fahasoavana". [Al-Dukhan: 3], na ny amin’ny fanombantombanana : fanampiana azy dia avy amin'ny fampidirana ny adverbe amin'izay ao anatiny, izany hoe ny alina izay tombanana ny zava-mitranga amin'ny taona. “Amin’izany no itantanana ny didy feno fahendrena rehetra” [Al-Dukhan: 4].
التصنيفات
Ny folo andro farany amin'ny Ramadan