“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.”

“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny ady masina Khaibar manao hoe : “Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.” Hoy i Omar bin Al-Khattab : “Tsy naniry fitondrana aho afa-tsy tamin’io andro io, hoy izy : Nanantena aho ho voaantso. Niantso an’i Ali bin Abi Talib ny irak’Allah, ary nomeny azy izany dia hoy izy : “Mandehana, ary aza miverina, mandra-panomezan’I Allah fandresena anao". Hoy izy : “Nandeha kely i Ali, dia nijanona ary tsy nihodina, ka niantsoantso hoe : Ry irak’Allah ô, inona no iadianay amin’ny olona? Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy : “Miadia ianareo amin’izy ireo mandra-pijoroan’izy ireo vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha manao izany izy ireo, dia fady aminao ny mandatsa-dràny sy ny fananany ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nampahafantatra ny mpanaradia ny fandresen'ny mpino silamo nanomboka ny ampitson'iny andro iny amin'ireo jiosy tao Khaybar, tanàna akaikin'i Madina i Mpaminany (S.A.W), ary izany dia tarihin'ny lehilahy iray homeny ny faneva, dia ny saina ampiasain’ny tafika ho marika. Ary ny mampiavaka ity lehilahy ity dia ny fitiavany an’I Allah sy ny Irany ary mitia azy koa Allah sy ny Irany. Nolazain'i Omar bin Al-Khattab (R.A) fa tsy tia ny fitondrana izy raha tsy tamin'io andro io, ho fanantenana fa izy no nolazain'ny Mpaminany momba ny fitiavan'I Allah sy ny irak'Allah, dia natrakan'i Omar (R.A) ny vatany ho hitan'ny Mpaminany (S.A.W) ary mba hiantsoana azy, ary noho ny fahadodonana sy ny fanantenana handray izany faneva izany. Niantso an'i Ali bin Abi Talib (R.A) i Mpaminany (S.A.W) ary nomeny azy ny faneva, ary nandidy azy i Mpaminany (S.A.W) hihetsika miaraka amin'ireo tafika ary tsy hiala amin'ny ady rehefa avy nihaona tamin’ny fahavalony tamin’ny fitsaharana mandra-panokafan’I Allah ireo fiarovana ireo ho azy amin’ny fandresena sy ny fahombiazana. Dia nandeha i Ali (R.A) avy eo dia nijanona, fa tsy niherika mba tsy handikana ny baikon'ny Mpaminany (S.A.W), ka nanandratra ny feony ary niteny hoe : Ry irak'Allah ô, inona no tokony hiadiako amin'ny olona? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Miadiva amin’izy ireo mandra-pijoroany ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha mamaly sy miditra amin’ny finoana silamo izy ireo; dia voarara ny fandatsahanao ny ràn'izy ireo sy ny fanànan'izy ireo afa-tsy amin’ny alàlan’ny zo, izany hoe, raha tsy nanao heloka bevava na heloka izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan’ny finoana silamo , ary ny fitsarana azy ireo dia eo amin’I Allah.

فوائد الحديث

Nankahala ny fitantanana ireo mpanaradia noho ny andraikitra lehibe naterany.

Azo atao ny mitsinjo sy manantena zavatra izay azo antoka ny hatsarany.

Ny Imam no manome torimarika sy komandin'ny tafika amin'ny fitondran-tena eo amin'ny sehatry ny ady.

Ny fanoloran-tenan'ireo mpanaradia ny irak'Allah amin'ny didiny sy ny fandraisana andraikitra amin'ny fanatanterahana izany.

Izay very hevitra momba ny zavatra nanontaniana azy dia tokony hanontany.

Anisan’ny famantarana ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ny vaovao azony momba ny fandresena ny Jiosy, araka ny fitantarany ny fandresen’i Khaybar, ary araka izay nolazainy.

Mamporisika ny herim-po sy ny fandraisana andraikitra hanao izay nandidian'ny irak'Allah (S.A.W).

Tsy azo atao ny mamono olona izay manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa momba ny finoana raha tsy misy heloka ataony ka mila vonoina.

Mihatra amin'izay asehon'ny olona ny didim-pitsaran'ny finoana silamo, ary Allah no mikarakara ny tsiambaratelony.

Ny tanjona lehibe indrindra amin'ny jiady dia ny fidiran'ny olona amin'ny finoana silamo.

التصنيفات

Ny hasin'ireo mpanaradia (R.A)