“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho…

“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”

Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”

[Mari-pototra] [Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) ny fitafian'ny lehilahy silamo, izay manarona ny tapany ambany amin'ny lehilahy, dia misy fepetra telo : Ny voalohany : Tsaratsara ny hahatratra ny antsasaky ny tongotra. Ny faharoa : azo atao tsy misy fanoherana, dia izay eo ambaniny ka hatreo amin'ny kitrokely; Izy ireo dia taolana roa misongadina eo amin'ny fikambanan'ny ranjo sy ny tongotra ambany. Ny fahatelo : Ny voarara dia ny ambanin'ny kitrokely, ary atahorana ho tratran’ny afobe izy, ary raha fieboeboana sy hafaliana ary fanamparam-pahefana aza dia tsy hijery izany Allah.

فوائد الحديث

Io toetra sy fandrahonana io dia voatokana ho an'ny lehilahy, fa ny vehivavy dia tsy tafiditra amin'izany. Satria asaina manarona ny vatany manontolo izy ireo.

Izay rehetra mandrakotra ny tapany ambany amin’ny lehilahy dia atao hoe lamba (Izar); Toy ny pataloha, akanjo, sns, ary tafiditra ao anatin’ny didim-pitsarana voalaza ao amin’io hadith io.

التصنيفات

Fahalalampomba rehefa mitafy lamba