Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay

Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny manao hoe : Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nankatia ny fitalahoana feno ho an'ny soa eto an-tany sy ny any ankoatra, izay misy teny vitsy nefa lehibe ny dikany, ary misy fiderana an'I Allah Tsitoha sy tanjona tsara, ary izy namela ny zavatra hafa.

فوائد الحديث

Tsara ny mitalaho amin’ny teny tsotra izay mahafaoka ny dikan’ny fahatsarana, ary tsy nankahala ny fampiadina sy ny mampisara-bazana amin’ny raharaha iray, izay mifanohitra amin’ny fitarihan’ny Mpaminany (S.A.W).

Nanokana teny feno i Mpaminany (S.A.W).

Fifikirana amin'izay voaporofo fa nataon'ny Mpaminany (S.A.W) sy izay nangatahany; Na dia lava sy misy teny maro aza, dia iray amin'ireo fitalahoana feno.

التصنيفات

Falalampomba rehefa hanao Douan