إعدادات العرض
1- Na iza na iza mpino silamo mangataka zavatra ka tsy nisy fahotana na fanapahana rohim-pihavanana ny fangatahany, afa-tsy hoe omen'I Allah azy ny iray amin'ireto zavatra telo ireto : Na ho valiany avy hatrany ilay hataka izany, na ho tehiriziny ho azy any ankoatra, na foanana amin'ny alàlan'izany ny ratsy saika hahazo azy mitovy ny halehibiazan'ny hataka nataony", hoy izy ireo : Raha izany dia ho ataonay betsaka ny hatakay? Dia namaly Izy hoe : "Allah no manana betsaka indrindra
2- Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny
3- Ny irak'Allah dia nankatia kokoa ny vavaka maromaro amin'ny Doan, ary nandao ny ankoatr'izay
4- “Aoka tsy hiteny ny iray aminareo hoe : Allah ô, mamelà ahy raha sitrakao, mamindrà fo amiko raha sitrakao, manomeza ahy raha sitrakao”, ary aoka izy hamaly ny fangatahany, Izy dia manao izay sitrany fa tsy an-tery ”