Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny

Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny

Tatitra azo avy amin'i Salman (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny".

[Tsara] [Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah]

الشرح

Nanentana i Mpaminany (S.A.W) ny hananga-tànana mandritra ny fitalahoana, ary nilaza fa Allah Tsitoha dia manetry tena, ary tsy manao an-tsirambina ny fanomezana izay mahafaly ny mpanompony, ary manala izay manimba azy, (malala-tànana) izay manome tsy miandry angatahina, ka mba ahoana raha angatahina! Menatra ny mpino mpanompony Izy ny hanaisotra ny tànany rehefa avy nanangan-tànana hifona, ho poakaty sy foana, diso fanantenana noho ny valin-teniny.

فوائد الحديث

Arakaraka ny anehoan’ny olona iray ny tsy fisiany eo anatrehan'I Allah sy ny fanompoany, no vao mainka hanantenany sy hanakaiky kokoa ny valiny.

Ny famporisihana hanao Doan, ary tsaratsara ny mananga-tànana, ary izany no antony iray hahavoavaly ny Doan.

Fanazavana ny halehiben’ny fahalalahan-tanan’I Allah sy ny famindram-pony amin’ny mpanompony.

التصنيفات

Falalampomba rehefa hanao Douan