إعدادات العرض
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe : "Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية Kurdî English Kiswahili Español اردو Português বাংলা Bahasa Indonesia فارسی தமிழ் हिन्दी සිංහල Tiếng Việt മലയാളം Русский မြန်မာ ไทย پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Türkçe Hausa دری Кыргызча or नेपाली Kinyarwanda Română తెలుగు Bosanski Lietuvių Oromoo Nederlands Soomaali Српски Deutsch Українська ಕನ್ನಡ Wolof Moore ქართული Azərbaycan 中文 Magyarالشرح
Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) ny finoana silamo tamin'ny trano mafy orina, amin'ny alalan'ireo andry diminy, izay mitondra izany trano izany, ary ireo rafitra ny finoana silamo sisa dia mitovy amin'ny famenon'izany trano izany. Ny voalohany amin'ireto andry ireto: dia ny fijorona vavolombelona roa; Fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah, ary andry iray ihany izy roa ireo; Ny iray amin'izy roa dia tsy afa-misaraka amin'ny iray hafa, ny mpanompo dia manonona azy roa, manaiky ny maha-tokana an'Allah sy ny maha mendrika ny hivavahana Aminy irery fa tsy misy hafa ankoatra, manao zavatra mifanaraka amin'izany, ary mino ny hafatr'i Mohammad (S.A.W) ka manaraka Azy. Ny andry faharoa : Ny fananganana ny fivavahana Swalat, dia ireo vavaka dimy tsy maintsy atao amin’ny andro sy ny alina : ny Fajr, ny Zouhr, ny Asr, ny Mghrib, ary ny Isha, miaraka amin'ny fepetra rehetra takina aminy sy ny andriny ary izay tsy maintsy atao aminy. Ny andry fahatelo : Famoahana ny zakat tsy maintsy aloa, izy io dia fanompoana tsy maintsy atao amin'ny harena rehetra izay mahatratra ny fatra ao amin'ny lalàna silamika, izay omena sy atolotra ho an'izay mendrika izany. Ny andry fahefatra : Hajj, izay fikasana ho any Lameka hanao ireo fombafomba ho fanompoana an’I Allah Ilay Tsitoha. Ny andry fahadimy : Ny fifehezana Ramadany, io dia ny fifadiana amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny zavatra hafa manapaka ny fifehezana miaraka amin’ny fikasana hanompo an’I Allah, manomboka amin’ny maraina vao mangirandratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.فوائد الحديث
Ny fijoroana vavolombelona roa dia tsy azo sarahina, ka tsy manan-kery ny iray raha tsy miaraka amin'ny iray. Koa natao ho andry iray izy roa.
Ny fijoroana vavolombelona roa no fototry ny finoana, ary tsy misy teny na asa azo ekena raha tsy miainga avy amin'izy roa.
التصنيفات
Ny Finoana an’Allah ilay Tsitoha, Ny faminaniana, Ny Islam, Ny mahavoadidy ny Swalat sy ny didim-pitsarana amin’izay manambela azy, Ny mahavoadidy ny Zakat sy ny didy momba ireo tsy mamoaka azy, Obligation of Fasting and Ruling of Its Abandoning, Obligation of Hajj and ‘Umrah and Ruling of Its Abandoner