إعدادات العرض
Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'I Allah
Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'I Allah
Tatitra azo avy tamin'i Abo Omama Al-Bahili (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy nanatona ny Mpaminany (S.A.W), ka niteny hoe : Hitanao ve raha nisy olona niady manantena valisoa sy dera eo amin'ny olona, dia inona no valisoa azony? Dia hoy ny irak'Allah (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”. Dia naverin'ilay rangahy in-telo ny fanontaniany dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”, avy eo nolazainy hoe : "Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'I Allah".
الترجمة
العربية অসমীয়া Bahasa Indonesia Kiswahili አማርኛ Tagalog Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands සිංහල Hausa پښتو ไทย नेपाली اردو Кыргызча മലയാളം English Svenska Română Kurdî Bosanskiالشرح
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) hanontany sy hanadihady azy ny didy momba ny lehilahy iray izay mivoaka hiady amin'ny jiady, mitady valisoa avy amin'I Allah ary maniry dera sy fankasitrahana avy amin'ny olona, ka moave mahazo valisoa izy? Namaly ny irak'Allah (S.A.W) nanao hoe : Tsy misy valisoa azony mihitsy; satria nampiditra zavatra hafa ankoatra an’I Allah tao anatin’ny fikasany izy. Ka namerina ny fanontaniany in-telo tamin’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy, dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) ary nanamafy izany valiny izany hoe : tsy misy valisoa ho azony, avy eo dia nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) taminy ny fitsipiky mifehy ny fanekena ny asa eo anatrehan'IAllah : Ary Allah dia tsy mandray ny asa raha tsy natao ho an'I Allah izany rehetra izany ary tsy misy ifandraisany amin'ny zavatra hafa, ary izany dia noho ny amin’IAllah irery.فوائد الحديث
Tsy eken’I Allah ny asa afa-tsy izay natao an-kitsim-po amin’I Allah Ilay Tsitoha sy araka ny sori-dalan'ny Mpaminaniny (S.A.W).
Ny valin-teny tsara ho avy amin'ny mpamoaka lalàna dia ny lalàna navoakany tonga amin'ny tanjon'ilay mpanontany sy ny mihoatra.
Fanamafisana ny zava-dehibe amin'ny famerenana ny fanontaniana momba izany.
Ny mpiady masina tena izy dia izay miezaka ny hanandratra ambony ny tenin'I Allah, mitady valisoa sy fahasoavana any ankoatra, amin'ny fahadiovam-po, fa tsy noho ny eto an-tany no nanaovany ny ady masina.
التصنيفات
Vokatsoan'ny asan'ny fo