إعدادات العرض
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
الترجمة
العربية Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Bahasa Indonesia Kiswahili Hausa සිංහල English ગુજરાતી Magyar ქართული Română Русский Português ไทย తెలుగు मराठी دری Türkçe አማርኛ বাংলা Kurdîالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vondrona mpino voalohany hiditra ao amin'ny paradisa dia hanana ny tarehiny amin'ny endriky ny volana amin'ny alin'ny diavolana ny fahazavany, ary izay manaraka azy ireo dia hanana ny famirapiratana indrindra toy kintana eny amin’ny lanitra, ary hanana filazalazana ny amin’ny fahatanterahana izy ireo amin’ny hoe tsy mipipy na mikaka ary mandroba, na mandrora, volamena ny fihogony, ary ranomanitra Misk ny hatsembohany, ary ny fandoroana dia mamoaka ditin-kazo manitra tsara indrindra sy ny fofona manitra, ny vadin'izy ireo dia ireo vehivavy tsara tarehy, Izy ireo dia noforonina taorian'ny nahariana ny lehilahy iray, amin'ny endrika Lava toy i Adama rainy sady natanjaka tsara, Enimpolo hakiho ny halavany eny amin'ny lanitra.فوائد الحديث
Fanazavana ny toetran'ny olona ao amin'ny Paradisa, ary miovaova arakaraka ny ambaratongany sy ny asany.
Fampiasana fampitahana mba hanombanana sy hanazavana ny dikany.
Hoy i Al-Qurtubi : Mety hisy hiteny fa tsy ilaina ny mibango rehefa tsy misy volo ary tsy maloto ny volony? Inona no ilain'izy ireo amin'ny emboka manitra rehefa tsara kokoa noho ny misk ny fofony? Hoy izy : Valiny fa ny fahasambaran’ny mponin’ny Paradisa eo amin’ny lafiny sakafo, zava-pisotro, fitafiana ary menaka manitra dia tsy vokatry ny fanaintainan’ny hanoanana, ny hetaheta, ny fitanjahana na ny maimbo, fa noho ny fahafinaretan’ny hafa sy ny fitahiana nifandimby, ary ny fahendrena amin’izany dia ny fankafizan’izy ireo karazana izay nankafiziny teto amin’ity tontolo ity.