إعدادات العرض
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.”
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.”
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.” Hoy i Imran : Tsy fantatro na niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe afaka roa na telo taonjato. Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary ao aorianareo dia hisy olona hamadika ka tsy hatokisana, izay ho vavolombelona hanambara nefa tsy nangatahina fijorona vavolombelona, izay hampitandrina nefa tsy hatokisana hihena, ary hisy tavy hiseho ao aminy.
الترجمة
العربية Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Bahasa Indonesia Kiswahili Hausa සිංහල English ગુજરાતી Magyar ქართული Română Русский Português ไทย తెలుగు मराठी دری Türkçe አማርኛ বাংলা Kurdîالشرح
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny sokajin'olona tsara indrindra miangona ao anatin'ny vanim-potoana iray dia ny vanim-potona izay misy ny irak'Allah sy ny mpiara-dia aminy, avy eo ireo manaraka azy, izay misy ireo mpino nihaona tamin’ireo mpanaradia nefa tsy nihaona tamin’ny irak’Allah, dia ireo nanaraka azy ireo izay mpanara-dia ireo mpandimby azy dia nisalasala ny filazana ireo mpanara_dia azy ireo tamin’ny taonjato fahefatra. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : Aorian'izy ireo dia hisy olona hamadika ary tsy matoky azy ireo ny olona, izy ireo hijoro vavolombelona mialohan'ny angatahana ny fijoroana vavolombelona aminy, ary mihoapefy amin'ny sakafony sy ny fisotrony mandra-pisehony ny matavy loatra ao aminy.فوائد الحديث
Ny taonjato sy ny taranaka tsara indrindra teo amin'ny fiainan'izao tontolo izao dia ny taonjato niainan'ny Mpaminany sy ny mpiara-dia aminy ary ho azy ireo anie ny fiadanana, izay nilazany hoe : “Nirahina aho amin'ny taonjato tsara indrindra teo amin'ireo taranak'Adama taonjato nifandimby, mandra-pahatongan’ny tanonjato niainako ity.”
Hoy I Ibn Hajar : Ity hadith ity dia milaza fa ny mpanara_dia dia tsara kokoa noho ny mpandimby azy ireo, ary ny mpandimby dia tsara kokoa noho ny mpandimbin'ny mpandimby, kanefa moa ve izany fahatsarana izany mifandray amin'ny vondron'olona sa ny tsirairay? Ny lohahevitry ny fikarohana, ary ny faharoa ho an'ny besinimaro.
Manondro ny ilàna ny fanarahana ny làlan’ireo taonjato telo voalohany; Na iza na iza akaiky ny fotoanan'ny faminaniana dia mendrika kokoa ny hasina sy ny fahalalana ary ny fanarahana ny soridalan'ny Mpaminany (S.A.W).
Voady : Nodidin’ny olona ny tenany tsy maintsy mankatò izay tsy nasain’ny Mpanome lalàna hataony amin’ny teny rehetra milaza izany.
Fanamelohana ny famadihana, ny tsy fanatanterahana voady, ary ny firaiketam-po amin'izao tontolo izao.
Fanamelohana ny fijoroana vavolombelona tsy nangatahina raha fantatry ny olona manan-jo izany, fa raha tsy fantany kosa, dia tafiditra ao anatin’ny fitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsy hambarako aminareo va ny tsara indrindra amin’ireo maritiora izay mitondra ny fijoroany vavolombelona alohan'ny angatahana azy?" Notantarain'ny Moslim.