Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo

Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay akanjo ambanin'ny kitrokely dia ao amin'ny afo."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Nampitandrina ireo lehilahy i Mpaminany (S.A.W) mba tsy hamela ny zavatra rehetra mandrakotra ny vatany ambany, toy ny akanjo, pataloha, na zavatra hafa, eo ambanin'ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin'ny kitrokeliny ny tongotr’izay mitafy lamba mifatotra dia any amin’ny helo ho famaizana noho ny nataony.

فوائد الحديث

Voarara ny manalava ny akanjo ka hatrany ambanin’ny kitrokeliny ho an’ny lehilahy, ary fahotana lehibe izany.

Hoy I Ibn Hajar : Notsongaina amin'ny famotsorana ny akanjo noho ny filana izany. Toy ny olona voan’ny fery eo amin’ny kitrokeliny, ohatra, izay azon’ny lalitra raha tsy saron’ny lambany izay tsy hahitany zavatra hafa.

Ity didy ity dia voatokana ho an'ny lehilahy; Satria ny vehivavy dia nasaina nampitony ny akanjony ambanin'ny kitrokeliny hatramin'ny sandriny.

التصنيفات

Ny lamba sy ny fitafiana