إعدادات العرض
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”
Tatitra azo avy tamin'i Abo 'Amri, voalaza koa hoe Abo 'Amrah, Sofyaani Ibn 'Abdillah (R.A) niteny hoe : Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Yorùbá Lietuvių دری Српски Soomaali тоҷикӣ Kinyarwanda Română Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayu Yaoالشرح
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.فوائد الحديث
Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
Ny finoana an’Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’Allah, any anatiny na ety ivelany.
Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara.
