“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.”

“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa Allah ilay Avo Indrindra, dia nilaza manao hoe : Efa nanomana voninahitra ho an’ireo Mpanompoko marina Aho ao amin’ny Paradisa izay tsy mbola hitan’ny maso ny tena maha-izy azy, tsy mbola ren’ny sofina ny filazalazana azy, ary tsy mbola tonga na nandalo tao amin’ny fon’ny olombelona ny tena maha izy azy. I Abo Horaïrah (R.A) dia niteny hoe : Vakio raha tianareo hoe : (Ka dia tsy misy olona mahalala izay takona aminy noho ny fampiononana ny maso). [Al-Sajdah: 17].

فوائد الحديث

Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe hadith AL-QODSI (masina) na koa avy amin'I Allah, satria avy amin'I Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny CORAN izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.

Famporisihana ny olona hanao ny tsara sy hiala amin'ny ratsy. Mba hahazoana izay nomanin’I Allah ho an’ny mpanompony marina.

Allah Tsitoha dia tsy nampahafantatra antsika tao amin’ny Bokiny sy ny sonnan’ny Iraka avy Aminy ny zava-drehetra ao amin’ny Paradisa, ary ny zavatra tsy fantatsika dia lehibe noho izay fantatsika.

Fanazavana ny amin’ny fahafenoan’ny fahasambaran’ny Paradisa, sy ny hahitan’ny mponina ao aminy fahafinaretana tsy misy alahelo na tebiteby.

Ny fahafinaretan'izao tontolo izao dia mandalo ary ny any ankoatra dia tsara sy maharitra kokoa.

التصنيفات

Endriky ny Paradisa sy ny Afobe