إعدادات العرض
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), Niteny manao hoe : Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Kurdî Kiswahili Português አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands नेपाली پښتو Hausa ไทย Svenska മലയാളം Кыргызча Română Oromoo తెలుగుالشرح
Ny ankamaroan'ny fitalahoan'ny Mpaminany (S.A.W) dia ny mangataka amin'I Allah ny amin'ny fiorenana mafy amin'ny finoana sy ny fankatoavana ary ny fanalavirana ny fivilian-dàlana sy ny fahaverezana, Talanjona i Anas bin Malik (R.A) tamin'ny fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) izany fitalahoana izany matetika, ka nilaza taminy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fo dia eo anelanelan'ny rantsan-tànan'I Allah roa, ary mamadika izany araka izay sitrany Izy. Ny fo no foibe itoeran'ny finoana sy ny fikomiana, ary ny fo dia mivadibadika matetika. Ny fo dia mivadibadika mihoatra ny rano mangotraka ao anaty vilany, ka izay tian'Allah dia hahitsiny amin'ny fahistiana ny fony, ary hatsatony ao anaty finoana, fa izay tian'Allah avily amin'ny fahitsina kosa dia mivily makany amin'ny fahaverezana.فوائد الحديث
Ny fiambanin'ny Mpaminany (S.A.) amin'ny Tompony sy ny fitalahoany Aminy ary ny fitarihana ny vahoaka mba hangataka toy izany.
Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana sy ny fitsatohana ao amin'ny finoana, ary ny fihafarana no tena zava-dehibe.
Ny mpanompo dia tsy mahaleo-tena amin'ny fanamafisan'I Allah azy amin'ny finoana silamo na dia indray mipi-maso aza.
Famporisihana amin'ny famerenana im-betsaka io fitalahoana io, ho fakan-tahaka ny Mpaminany (S.A.W).
Ny fikirizana amin'ny finoana silamo no fitahiana lehibe indrindra tokony hiezahan'ny mpanompo sy hisaorany ny Tompony noho izany.