Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.”

Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.”

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ​​ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”

[Mari-pototra] [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad]

الشرح

Niteny tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Aicha (RA) renin'ny mpino, hoe : Ampy ho anao izany avy amin'i Safiyya - midika hoe fa ny kilema ara-batan'i Swafya Renin'ny mpino dia fohy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Nilaza teny iray ianao ka raha nafangaro amin'ny rano an-dranomasina izany dia handresy azy, hanova azy ary hanimba azy. Niteny i Aicha (R.A) : Manao toy ny ataon'ny olombelona mba milaza ny momba azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsy mahafaly ahy ny hiresaka momba ny kilemany, na hanahaka azy ary hanao toy ny ataony na hiteny mitovy amin'ny teniny amin'ny fomba fanambaniana, na dia nomena zavatra be dia be eto amin'izao tontolo izao aza aho.

فوائد الحديث

Fampitandremana sy fandrahonana amin'ny fifosana.

Voarara ny fanambaniana sy firesahana na ny fitenenan-dratsy olona amin'ny endrika fanambaniana sy fanaratsiana.

Ny famaritana ny kilema ara-batana dia anisan'ny fanalam-baraka.

Hoy i Al-Qadi : Ny fampifangaroana, fampitambarana ary fanovana amin'ny fanampiana zavatra hafa amin'izany, ary ny dikany dia hoe raha zavatra nifangaro tamin'ny ranomasina io tsy fisiana io, dia hanova azy amin'ny toerany izy, na dia eo aza ny habeny sy ny hamarony, ka ahoana momba ny asa madinidinika nifangaro tamin'io?

Manazava ny sasany amin'ireo fialonana mitranga eo amin'ny mpivady.

Tsy nankasitraka ny fanaratsiana ny Mpaminany (S.A.W).

Manambany ny maha zava-dehibe izao tontolo izao sy izay ao anatiny raha ampitahaina amin’ny fahafaham-pon’I Allah Tsitoha fa tsy ny fahatezerany.

Ny finoana silamo dia finoana manana fitondran-tena tsara, ary mandidy ny fiarovana ny voninahitra tsy ho voahitsakitsaka amin'ny teny na amin'ny asa. Satria miteraka fifandrafiana sy fankahalana eo amin'ny samy mpino silamo izany.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsy mendrika