إعدادات العرض
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa
Tatitra azo avy tamin'i Aicha renin'ny mpino silamo (R.A) niteny manao hoe : Ny Mpaminany (S.A.W) dia efa niezaka mafy tao anatin'ny folo alina farany (amin'ny Ramadany) mihoatra ny fiezahany tamin'ny fotoana hafa.
[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Nederlands Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી پښتو മലയാളം नेपाली ქართული Magyar తెలుగు Македонски Svenska Moore አማርኛ Română Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡ Yorùbá Српски Lietuviųالشرح
Rehefa tonga ny folo andro farany amin'ny volana Ramadany, ny Mpaminany (S.A.W) dia niezaka nanompo sy nankatò, ary nanitatra mihoatra noho ny hatramin'izay ny karazana asa soa, ny karazana asa tsara sy ny fanompoam-pivavahana mihoatra lavitra ny nataony amin'ny fotoana hafa. Izany dia noho ny halehiben'ireo alina ireo sy ny fikatsahana ny Laylat al-Qadri.فوائد الحديث
Famporisihana ny olona hanao ny fahamarinana sy ny asa fankatoavana bebe kokoa mandritra ny volana Ramadany amin'ny ankapobeny ary indrindra ny folo andro farany amin'ny Ramadany.
Ny folo andro farany amin'ny Ramadany dia manomboka amin'ny alina fah raika amby roapolo ka hatramin'ny faran'ny volana.
Tsaratsara ny manararaotra ny fotoana tsara amin'ny asa fankatoavana.
التصنيفات
Ny folo andro farany amin'ny Ramadan