Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao

Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny : Nanontany ny Mpaminany (SAW) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanontaniana momba ny fahotana lehibe indrindra ny Mpaminany (S.A.W) dia namaly hoe : Ny lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny fanompoan-tsampy, dia ny fanaovana an’I Allah ho mitovy tantana amin'ny hafa eo amin’ny maha-Zanahary Azy, na ny maha-tompo Azy, na amin'ny Anarany sy ny Toetoetrany. Tsy avelan’Allah izany fahotana izany raha tsy amin’ny alàlan’ny fibebahana, ary raha maty amin'izany ny mpanao azy dia hitoetra mandrakizay anaty Afobe. Avy eo ny olona mamono ny zanany noho ny tahotra sao hiara-mihinana aminy, ary voarara ny mamono olona, ary voamaika ngeza ny fahotana raha havan'ilay mpamono ilay maty, ary mihalehibe kokoa tahak'izany ny fahotany raha noho ny fatahoran'ilay mpamono fa handray anjara amin’ny fahasoavana nomen’I Allah azy ilay novonoiny. Avy eo dia ny fijangajangana nataon'ny lehilahy iray amin’ny vadin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin’ny alàlan'ny fiezahana hamitaka ny vadin’ny mpifanolo-bodiridrina aminy mba hanaparany ny filan-dratsiny, ka hanaiky azy. Voarara ny fijangajangana, saingy lehibe kokoa ny fahotany raha vadin'ny mpifanolo-bodirindrina, izay nodidin'ny lalàna silamika ny fanaovan-tsoa sy fanehoana hatsaram-panahy ary ny fiarahana tsara aminy.

فوائد الحديث

Ny tsy fitovian'ny fahotana, toy ny tsy fitovizan'ny asa soa eo amin'ny lanjany.

Ny fahotana lehibe indrindra : ny fampirafesana an’I Allah ilay Tsitoha amin'ny hafa, avy eo dia famonoana ny zaza noho ny tahotra sao hiara-misakafo aminao izy, ary ny mijangajanga amin’ny vadin’ny mpiray vodirindrina.

Eo am-pelatanan’Allah ny anjaram-pivelomana, ary Izy, no tompon'andraikitra manome ny anjaran’ireo zavaboary.

Ny maha lehibe ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina, ​​ary fanaovan-dratsy aminy dia fahotana lehibe kokoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy amin'ny hafa.

Ilay Mpamorona irery ihany no mendrika ho tompoina, tsy misy mpiombona Aminy.