إعدادات العرض
“Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
“Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Salam niteny hoe : Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W), dia nitangorona teo anatrehany ny olona rehetra, Ary nisy nilaza : Tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, tonga ny Irak'Allah, naverimberin'izy ireo in-telo, ka tonga teo anivon'ny vahoaka aho mba hijery, ary rehefa nahita ny tarehiny aho dia fantatro fa tsy tarehin'ny mpandainga ny tarehiny, ary ny zavatra reko voalohany nolazainy dia ny hoe : “Ry olombelona, mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Hausa Kurdî Português አማርኛ অসমীয়া Kiswahili ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली മലയാളം Svenska ไทย Кыргызча Română ಕನ್ನಡ Српски తెలుగుالشرح
Rehefa tonga tao Madina ny Mpaminany (S.A.W) ka hitan'ny olona izy dia nitodika haingana tany aminy izy ireo, ary isan'ireo olona nitodika tany aminy i Abdollah bin Salam (R.A), izay mbola Jiosy rehefa nahita azy dia fantany fa tsy tavan’ny mpandainga ny tavany, noho ny fahazavana sy ny hatsaran-tarehy ary ny bikabika marina. Ny zavatra voalohany henony tamin'ny Mpaminany, dia ny nampirisika ny olona hanao asa izay hitondra any amin'ny paradisa, anisan'izany : Voalohany : Aparitaho ny fiarahaban’ny finoana, sy fanehoana azy ary fanaovana azy im-betsaka amin’izay fantatra sy tsy fantatra. Faharoa : Mampisakafo amin'ny alalan'ny fanampiana sy fanomezana ary fanasana. Fahatelo : Ny fampitohizana fihavanana, amin'ireo izay misy fitohizam-pihavanana aminao, na avy amin'ny ray izany na avy amin'ny reny. Fahefatra : vavaka an-tsitrapo mandritra ny alina rehefa matory ny olona.فوائد الحديث
Tsara ny fanaparitahana ny fiarahabana eo amin'ny samy mpino silamo, fa raha ny amin'ny tsy mpino silamo kosa dia tsy tokony hanomboka amin'ny fiarahabana azy, ary raha miarahaba izy amin'ny teny hoe : Fiadanana ho anareo, dia tokony ho valiana izy amin'ny teny hoe : ianao koa.