إعدادات العرض
“Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”
“Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”
Tatitra azo avy amin'i Abo Borda (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'I Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Tsy misy olona hokapohina mihoatra ny kapoka folo, raha tsy ao anatin’ny fetra napetrak’Allah”.
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Português മലയാളം Kurdî Tiếng Việt অসমীয়া Kiswahili Nederlands ગુજરાતી සිංහල Magyar ქართული Română ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛ বাংলাالشرح
Nandrara ny kapoka mihoatra ny folo ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy amin'ny ota no tiana ho lazaina amin'ny lalàna fa tsy isan'ny kapoka, na famaizana manokana mihoatra ny kapoka folo amin’ny famaizana, toy ny kapoka ny vady aman-janany.فوائد الحديث
Ny fetran’I Allah Tsitoha izay nandidiany na nandrarany dia misy sazy mahasakana azy ireo, na voafaritry ny lalàna, na araka ny tombanany amin’ny tombontsoa hitan’ny mpitondra.
Ny famaizana dia tokony ho maivana toy ny fitarihana sy fandrahonana, ary tsy tokony hihoatra ny kapoka folo raha ilaina, tsara kokoa ny manafay azy ireo tsy misy kapoka, fa amin'ny fampianarana, fanabeazana, fitarihana ary fientanentanana, satria izany dia mety hitarika ho amin'ny fanekena sy ny fientanam-po. Ny hatsaram-panahy amin'ny fampianarana dia samy hafa be ny toe-javatra, ka ny tsara indrindra no tokony hatao.
التصنيفات
Ireo lalàna mafonja