إعدادات العرض
“Izay miompy alika, afa-tsy alika mpiambina na mpihaza, dia hesorina amin’ny asany isan’andro ny bolongan'ny asa soa roa.”
“Izay miompy alika, afa-tsy alika mpiambina na mpihaza, dia hesorina amin’ny asany isan’andro ny bolongan'ny asa soa roa.”
Niteny Ibn Omar (RA), niteny ny Irak'Allah (SAW) manao hoe : “Izay miompy alika, afa-tsy alika mpiambina na mpihaza, dia hesorina amin’ny asany isan’andro ny bolongan'ny asa soa roa.” Hoy i Salim : Ary niteny i Abo Horaïra manao hoe : “Na Alika manampy amin'ny fambolena, ary izy no tompon'ny angadin'omby.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français ئۇيغۇرچە Hausa Português മലയാളം Kurdî Русский Tiếng Việt অসমীয়া Kiswahili Nederlands ગુજરાતી සිංහල Magyar ქართული Română ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fiompina alika, afa-tsy amin'ny fihazana, na fiambenana biby fiompy sy vokatra, ary izay miompy izany ho an'ny ankoatra izany, dia hesorina amin'ny tambin'ny asany ny bolongan'ny asa soa roa isan'andro; izy io dia fatra fantatra eo anatrehan'I Allah.فوائد الحديث
Tsy azo ataon'ny mpino silamo ny miompy alika, afa-tsy izay notsongaina.
Fisorohana ny fananana alika; Noho ny fisian’ny faharatsiana sy ny fahasimbana maro ao anatiny dia voaporofo avy amin’ny Mpaminany (S.A.W), fa tsy miditra amin’ny trano misy alika ny anjely. Satria misy fahalotoana mavesatra izay tsy azo esorina raha tsy amin'ny fanasana miverimberina amin'ny rano sy fotaka.
التصنيفات
Ny jono