إعدادات العرض
I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran
I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran
Tatitra azo avy tamin'i Jabir Ibn Abdillahi (R.A), niteny : I Mpaminany (S.A.W) nampianatra anay ny vavaka Istikhara amin'ny raharaha rehetra tahaky ny fampianarany anay ireo Sorat ao amin'ny Coran ka niteny manao hoe : “Raha misy iray aminareo miahiahy momba ny zavatra iray, dia aoka izy hanao rakaat roa ankoatry ny vavaka tsy maintsy atao, dia miteny avy eo hoe : Allah ô, mangataka fitarihana Aminao amin’ny fahalalanao aho ary mitady fiarovana Aminao amin’ny alàlan’ny herinao, ary mangataka Aminao ny amin’ny fahasoavanao lehibe aho, satria Ianao mahefa fa izaho kosa tsy mahefa, ary Ianao no mahalala fa izaho dia tsy mahafantatra, ary Ianao no mahalala ny tsy hita maso rehetra, Allah ô, raha fantatrao fa mahasoa ahy ity zavatra ity amin’ny fivavahako sy ny fivelomako ary ny fiafaran’ny raharahako", na koa izy hiteny hoe : “Ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia ataovy ho ahy izy io ary ataovy mora amiko izany, dia tahio aho. Ary raha fantatrao fa ratsy amiko izany raharaha izany eo amin’ny fivavahako, ny fivelomako, ary ny fiafaran’ny raharahako”, na koa izy hiteny hoe : “amin’ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy, dia esory amiko izany”. Ary avilio hiala amin’izany aho, ary tendreo ho ahy izay tsara na aiza na aiza misy azy, dia hoy Izy : “Ary nanonina ny anaran'ilay zavatra ilainy".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français ئۇيغۇرچە Kurdî Русский Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili Hausa සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Moore Português ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Raha te-hanao zavatra tsy hainy ny mpino silamo, dia tsy maintsy manao ny vavaka Istikhara izy, satria nampianaran'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpiara-dia aminy io vavaka Istikhara io, tahaka ny nampianarany azy ireo ny sorat ao amin'ny CORAN, dia manao raka'ah roa hafa ankoatry ny vavaka tsy maintsy atao, avy eo mangataka amin'I Allah ka miteny manao hoe : "Allah ô, mangataka tari-dàlana aminao aho" amin'ny fangatahana fahombiazana amin'ny tsara indrindra amin'ireo raharaha roa ireo, ary mangataka aminao aho "amin'ny fahalalanao midadasika" izay mahafaoka ny zavatra rehetra, "ary mitady ny herinao aho" mba hahatonga ahy ho afaka amin'izay ananako, tsy misy hery na fahefana afa-tsy amin’ny alàlanao, “amin’ny fahaizanao lehibe” satria tsy misy zavatra tsy vitanao, “ary mangataka aminao amin’ny fahasoavanao aho” sy ny hatsaram-panahinao lehibe; izay fitahiana avy aminao, ary tsy misy olona afaka manakana ny fahasoavana avy aminao; "Mahefa" ny zavatra rehetra ianao, ary malemy sy tsy manan-kery aho, "ary tsy mahavita na inona na inona aho" afa-tsy amin'ny fanampianao, "ary" "fantatrao" amin'ny fahalalanao feno izay mahafaoka ny hita maso sy ny miafina, ary ny tsara sy ny ratsy, “ary” “tsy mahalala” na inona na inona afa-tsy amin’ny fahombiazanao sy ny fitarihanao aho, “Ary Ianao no mahalala ny tsy hita maso rehetra”, satria manana fahalalana feno sy hery mahery vaika ianao, ary tsy misy hafa manana izany afa-tsy izay efa nodidianao ho azy sy izay nomenao hery hanaovana azy. Avy eo ny mpino silamo dia miantso ny Tompony, ary miantso ny zavatra ilainy, ary miteny manao hoe : "Allah ô," nanankina ny raharahako aminao aho, dia "raha fantatrao," amin'ny fahalalanao, fa ity raharaha ity dia "lazainy ny zavatra ilainy" dia toy ny mividy an'ity trano ity, na mividy an'ity fiara ity, na manambady an'ity vehivavy ity, na zavatra hafa ... Raha efa fantatrao teo aloha io raharaha io fa "tsara ho ahy amin'ny fivavahako", izay fiarovana ny raharahako, "sy ny fivelomako" eto amin'ity tontolo ity, "ary ny fiafaran'ny raharahako", ary izay raharaha mitarika ahy, na miteny izy hoe : “amin’ny raharahako ankehitriny sy ho avy” eto amin’izao tontolo izao sy ny any ankoatra; “Tendreo izany” ary omano ary tanteraho “ho ahy,” ary ankamorao izany “ary ataovy mora ho ahy izany,” “dia tahio” ary ampitomboy ny soa “ho ahy ao,” “Ary raha fantatrao,” Allah ô, fa ratsy ho an’ny fivavahako sy ny fivelomako ary ny fiafaran’ny raharahako ity zavatra ity”, izay nangatahinao ho tari-dàlana, — na hiteny izy hoe : “Amin’ny raharahako ankehitriny sy ny ho avy — koa esory izy amiko, ary avilio tsy ho eo aminy aho, ary tendreo ho ahy izay tsara, na izay misy azy, dia ankasitraho aho amin’izany, ary amin’ny didinao rehetra izay tiako sy izay halako.فوائد الحديث
Ny hamafin'ny fahazotoan'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fampianarana ireo mpanara_dia azy ity vavaka ity. Noho ny tombontsoa lehibe sy ny hatsarany.
Tsaratsara ny manao vavaka istikharah sy ny fitalahoana atolotra aorian'izany.
Istikharah dia soso-kevitra amin'ny zavatra azo atao izay misy fisalasalana, ary tsy amin'ny zavatra tsy maintsy atao na tiana. Satria ny foto-kevitra fototra dia ny manao roa, fa azo atao ny mampiasa azy io amin'ny fifandraisana amin'izany, toy ny fisafidianana namana mandritra ny Omrah na Hajj.
Ny zavatra tsy maintsy atao sy izay tsaratsara atao dia tsy takiana amin’ny fanaovana azy, ary ny zavatra voarara sy tsy tiana dia tsy angatahina fialana aminy.
Fanemorana ny fitalahoana amin'ny fivavahana; Araka ny teninin'ny Mpaminany (S.A.w) manao hoe : “Aoka izy hanao...”, ary raha alohan’ny hiarahabana ny fiarahabana dia tsy misy olana.
Ny mpanompo dia tsy maintsy mamerina ny raharaha rehetra amin’I Allah, ary tsy maintsy mandà ny manodidina azy sy ny heriny. Satria tsy manana hery na tanjaka afa-tsy amin’I Allah izy.
التصنيفات
Ny swalat Istikhara