Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy

Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy.

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nahazo zanakavavy na anabavy roa, ka mamelona azy ireo sy mitaiza azy ireo, mitarika azy ireo hanao ny tsara, mampitandrina azy ireo amin’ny ratsy sns ... mandra-pahalehibeny. Dia tonga amin’ny andro farany izy sy i Mpaminany (S.A.W) tahaka izao, ary nakambanany ny fanondrony roa izy.

فوائد الحديث

Ny valisoa lehibe ho an’izay miantoka ny zanany vavy sy mitaiza azy mandra-panambadiany na ho tonga fahamaontinana, ary koa ireo anabavy.

Ny valisoa amin'ny fikarakarana ny zazavavy dia lehibe noho ny valisoa amin'ny fikarakarana ankizilahy. Satria tsy nisy zavatra toy izany voalaza amin'ny zon'zy ireo; satria ny fanomezana ny zazavavy sy ny fiheverana ny raharahany dia lehibe kokoa noho ny an'ny ankizilahy. Satria mahamenatra izy ireo, ary tsy mahazaka manao ny raharahany, ary tsy mitondra tena toy ny zanaka lahy, ary koa noho ny fanirian-drainy hahazo hery amin'ny fahavalony, hamelona ny anarany, hitazona ny firazanany, ary ny zavatra hafa tsy misy ifandraisany amin'izy ireo, toy ny mifandray amin'ny lahy; Izany dia mitaky faharetana sy fahatsoram-po avy amin'izay miahy azy ireo, miaraka amin'ny fikasana tsara; ka lehibe tokoa ny valisoa, ary mpiara-dia amin’ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ny Paradisa.

Famantarana ny fahafenoan'ny taona eo amin'ny vehivavy dia : feno dimy ambin'ny folo taona, na tonga fadim-bolana alohan'ny fahadimy ambin'ny folo taona, na mipoitra volo eo amin'ny henatra, dia ny volo manjavozavo manodidina ny fivavina, na ny fanofisana mando, izay fivoahan'ny tsirin'aina ao anaty nofy.

Hoy i Al-Qortobi : Amin'ny fahafenoan'ny tanaon'izy roa dia fahatongavany hahaleotena. Ny vehivavy ihany no mihatra amin’izany mandra-pahatonga ny vadiny hanao firaisana aminy, ka tsy midika izany fa tonga tao anatin’ny fahamaotiana vao tonga fadim-bolana ka bevohoka; Mety hanambady izy alohan'izay, ary tsy mila ny vadiny intsony izy mba hamelomana ny mpanohana azy ,mety ho tonga fotoana izy raha tsy mahaleo tena amin'ny tombontsoany, ary raha niala tamin'izany izy dia ho very sy rava. Amin'ity tranga ity, dia mendrika kokoa ny fikojakojana sy ny fitehirizana azy, ary izay mikarakara azy mba hamita ny fikojakojana azy dia maniry ny hanambady azy, ary noho izany dia nilaza ny manam-pahaizana fa ny fikojakojana avy amin'ny rainy dia tsy voavaha tsy tonga tao amin'ny fahamaotiana ny zazavavy, fa ny lehilahy nanao firaisana taminy.

التصنيفات

Vokatsoan'ny asa soa