إعدادات العرض
“Nomena zavatra dimy izay tsy mbola nomena an’iza na iza talohako
“Nomena zavatra dimy izay tsy mbola nomena an’iza na iza talohako
Tatitra azo avy tamin'i Jabir bin Abdillah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nomena zavatra dimy izay tsy mbola nomena an’iza na iza talohako aho : Mihorohoro amiko ao anelanelan'ny dia mandritra ny iray volana ny fahavaloko, natao ho toeram-pivavahana sy fanadiovana ho ahy ny tany, ka na aiza na aiza ny olona iray amin'ny vahoakako tratry ny oran'ny fivavahana dia aoka hivavaka avy hatrany, ary tsy voarara amiko ny zavatra azo babo, saingy voarara tamin’ny olona talohako izany, ary nomena ny fanelanelanana aho, ary ny Mpaminany rehetra dia nirahina manokana tamin’ny vahoakany, fa izaho kosa dia nirahina ho any amin'ny olombelona rehetra».
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Kiswahili සිංහල አማርኛ Nederlands Tiếng Việt অসমীয়া Oromoo پښتو ગુજરાતી ไทย മലയാളം Română नेपाली Deutsch తెలుగుالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nanome azy zavatra dimy izay tsy mbola nomena an'ireo mpaminany talohany : Voalohany : Nandresy tamin'ny alàlan'ny tebiteby izay natsipy tao am-pon’ny fahavaloko aho, na dia misy fandehanana iray volana aza teo anelanelan’izy ireo. Faharoa : Natao ho moske ho antsika ny tany ka afaka mivavaka na aiza na aiza misy antsika, sy hanadiovana ny tenantsika ny vovoka rehefa tsy misy rano. Fahatelo : Tsy voarara ho antsika ny zavatra azo tamin'ny ady, izany dia ireo harena lasan'ny mpino silamo amin'ny ady ataony amin'ny tsy mpino. Fahefatra : Nomena fanelanelanana lehibe indrindra aho amin'ny fanalana ny olona amin'ny horohoron'ny toe-javatra miseho amin'ny andro farany. Fahadimy : Nirahina ho amin’ny zavaboary rehetra aho, ny olombelona sy ny jiny, tsy tahaka ireo mpaminany teo alohany izay nirahina ho amin'ny vahoakany ihany.فوائد الحديث
Azo ataon'ny mpanompo ny mitanisa ireo fahasoavan’I Allah aminy, ho fampahafantarana izany sy fisaorana an'I Allah ny aminy.
Fahasoavan'I Allah amin'ity vahoaka ity sy ny mpaminaniny tamin'ny fanomezana ireo zavatra dimy ireo.
Tsy maintsy atao ara-potoana ny vavaka, na inona na inona toe-javatra misy, ary atao arak'izay vita amin'ireo fepetra takina aminy sy ireo andriny ary adidy tsy maintsy atao aminy.
Ny fanelanelanana voatokana ho an'ny Mpaminany (S.A.W), izay tsy nisy tamin'ireo mpaminany, dia misy karazany maro: Iray amin'izy ireo : ny fanelanelanana nataony ho an'ny zavaboary amin'ny fampandehanana ny fitsarana eo amin'izy ireo, ary izany dia : ny fanelanelanana nataony ho an'ny mponin'ny Paradisa mba hiditra ao amin'ny Paradisa, ary anisany koa : ny fanelanelanana nataony ho an'i Abo Talib dadatoany tamin'ny fampihenana ny afo ho azy fa tsy amin'ny fivoahany; Satria maty tsy mpino izy.
Betsaka ireo zavatra voatokana ho an'ny Mpaminany (S.A.W) izay tsy voalaza ao amin'ity hadith ity, anisan'izany ny hoe : nomena teny feno, namarana ny faminaniana, ary natao toy ny laharan'ny anjely ny laharanay sy ny hafa mampiavaka azy ankoatr'ireo.
التصنيفات
Mpaminanintsika Mouhammad (S.A.W)