إعدادات العرض
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy
Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල தமிழ் دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली Română Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Oromoo Македонскиالشرح
Nampitandrina ireo vahoakany mpanao zavatra hafahafa i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny manao hoe : "Tsy anisany miaraka aminay", Ireto avy izany : Ny voalohany : “Izay nisikidy na izay nampanao sikidy ho azy.” Ny fiaviany dia ny hoe : Mamoaka ny vorona rehefa manao hetsika toy ny dia na varotra, na zavatra hafa. Ka raha manidina miankavanana ilay vorona dia mandeha manao ny diany sy izay tiany izy, ary raha manidina miankavia izany dia kivy ka mijanona tsy manao izany. Tsy azony atao izany na koa maniraka olona hanao izany.Ary tafiditra ao anatin’izany ny finoam-poana momba ny zavatra rehetra, toy ny finoan-dratsy amin'ny zavatra heno sy hita, amin'ireo vorona na biby na ireny mampino fahatany na ireny mampiasa isa na andro na ankoatr'izany. Ny faharoa : “Izay maminany, na manontany faminaniana ho azy.” Ary izay milaza fa mahalala ny tsy hita maso amin’ny alàlan’ny fampiasana ny kintana sy ny zavatra hafa, na manatona ireo milaza fa mahalala ny tsy hita maso, toy ny mpisikidy sy ny toy izany, ka mino izay lazainy tamin’ny filazany fa mahalala ny miafina dia efa nikomy izay nampidinina tamin’i Mouhammad (S.A.W). Ny fahatelo: “Manao ody na mampiasa ody ho azy” : Izay manao ody ny tenany, na maniraka olona hanao ody ho azy; mba hahazoany tombony na hanimba ny fiainanolona amin'izany, na mamatotra fatotra amin'ny kofehy ary manao ody amin'ny alàlan'ny famakina ireo fiarovan-tena voarara sy ny fitsofana azy.فوائد الحديث
Vodidy ny fitokisana an'ny Tompo Allah ary finoana ny lahatr'i Allah sy ny fandaharany, ary fandrarana amin'ny finoanoam-poana sy ny finoana ratsy, ny sikidy, famosavina ary ny fanontaniana azy ireo.
Filazana ny fahafantarana ny zava-miafina dia fanompoan-tsampy izay mifanohitra sy mamotika ny fanokanana an'i Allah.
Voarara ny mino ireo mpisikidy sy manatona azy, ary tafiditra amin'izany ny famakiana ny tànana sy ny ireny vintana ary ny tonin'andro, eny fa na dia mba hahazoana fanazavana fotsiny aza.