إعدادات العرض
Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?
Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?" Namaly izy ireo hoe : bankirompitra aminay dia ireo izay tsy manana dirham na tsy manan-karena, niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ny olona bankirompitra amin’ny vahoakako, rehefa tonga ny andro farany miaraka amin’ny Swalat, fifehezana, zakat, nefa izy nanompa an'itsy, nanendrikendrika an'itsy, nisoloky fananan'itsy, nandatsa-drà an'itsy, nikapoka an'itsy, ka akana amin'ireo asa soany atolotra an'itsy, ary itsy amin'ny asa soany, rehefa lany ny asa soa vitany mialohan'ny hivitan'ny trosany dia alaina indray ny haratsiana amin’ireo olona nambakainy dia omena azy avy eo atsipy any amin’ny Afobe izy.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Kurdî Português සිංහල অসমীয়া Kiswahili አማርኛ ગુજરાતી Nederlands پښتو Hausa नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenska Српски తెలుగు ქართულიالشرح
Nanontany ny mpanara_diany ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Fantatrareo ve hoe iza no bankirompitra (maty antoka)? Hoy izy ireo namaly : Ny bankirompitra eo aminay dia izay tsy manam-bola na fananana, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny bankirompitra amin’ny vahoakako amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia izay manao asa soa toy ny swalat sy ny fifehezana ary ny zakat, nefa efa nanompa sy nanozona olona, nanendrikendrika olona tamin'ny voninahiny, ary nihinana volan'ny olona nefa nandà izany, nandatsaka ny ran'ny olona sy nanambaka azy, nikapoka sy nanevateva olona, ka nomena ny olona nambakany ny sasany amin'ny asa soa nataony, ka rehefa lany ny asa soa nataony nefa mbola tsy tapitra ny olona mitaky zon'izy ireo aminy, dia alaina ny otan’ny voambaka ary apetraka eo amin’ny bokin’ny mpanambaka, avy eo dia ariana sy atsipy any amin’ny afo satria tsy misy asa soa tavela intsony aminy.فوائد الحديث
Fampitandremana mba tsy ho tafalatsaka amin'ny zavatra voarara, indrindra momba ny zon'olombelona ara-materialy sy ara-moraly.
Ny zon'ny zavaboary eo amin'izy samy izy dia mifototra amin'ny tsy fifanolanana, ary ny zon'ny Mpahary, afa-tsy ny fampiombonana azy amin'ny hafa, dia mifototra amin'ny fifamelana.
fampiasana ny fomba fifampiresahana izay mampientanentana ny mpihaino, misarika ny sainy ary manaitra ny fahalianany, indrindra eo amin’ny fanabeazana sy ny fanitsina.
Fanazavana ny tena dikan'ny bankirompitra, izy io dia fakan'ny trosany amin'ireo asa soa vitany amin'ny andro farany.
Ny valifaty any ankoatra dia mety hitranga amin'ny fakana ny asa soa rehetra, ka tsy misy tavela na dia iray aza.
Miorina amin’ny rariny sy ny fahamarinana ny fitondran’I Allah ny zavaboary.