“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”

“Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Allah mamehy ny tany sy mamehy ny lanitra amin’ny tànany ankavanana, dia hoy Izy : Izaho no Mpanjaka, aiza ireo mpanjakan’ny tany?”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia haka ny tany ary hanangona azy i Allah, ary hamoritra ny lanitra amin'ny tànany ankavanana, ary hamoritra sy hamadibadika azy amin'ny lanitra sasany ka ho levona, avy eo dia miteny izy hoe : Izaho no mpanjaka, aiza ireo mpanjakan'ny tany?

فوائد الحديث

Fampahatsiahivana fa ny fanjakan’Allah dia mitoetra mandrak'izay fa ny fanjakan’ny hafa dia ho foana.

Ny fahalehibiazan’Allah, ny halehiben’ny heriny, ny fahefany ary ny fahafenoan’ny fanjakany.