“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Tompo Allah, dia naniraka an’i Anjely Jiborilo (A.S)

“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Tompo Allah, dia naniraka an’i Anjely Jiborilo (A.S)

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D), fa Niteny ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa nanao hoe : “ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Tompo Allah, dia naniraka an’i Anjely Jiborilo (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy Olona hiditra ao. Dia hoy i Tompo Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jiborilo, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny Olona fa dia hiditra ao avokoa.

[Hasan/Sound.] [Abu Dawood]

الشرح

Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah rehefa nanamboatra ny Paradisa sy ny Afobe, Dia Niteny tamin'ny Anjely Jiboriol (AS) Izy ka nanao hoe : Mandeana Ianao ao amin'ny Paradisa ka jerevo avokoa ny ao anatiny, Nandeha nijery tao Izy avy eo niverina, Ka Niteny i Jiborilo nanao hoe : O ry Tompo, Mihaniana amin'ny Herinao Aho fa izay maheno izany sy izay fahasoavana ao anatiny ary ny Voninahitra sy ny hatsarana afa-tsy hoe mankatia ny hiditra ao Aminy avokoa, ary hanatanteraka ny asa noho izany. Avy eo dia nirakofan'i Tompo Allah ny Paradisa ary nofefeny ireo fahasahiranana sy fankasarotana amin'ny fanatanterana ny didy amambaikony sy ny fisitahana ireo zavatra rehetra izay voarara; fa ho an'izay mankatia ny hiditra ao dia tsy maintsy miaina amin'io fahasahiranana io. Avy eo Niteny i Tompo Allah ilay Avo Tsitoha ka nanao hoe : O ry Jiboriol ! Mandehana mijery ny Paradisa, rehefa voahodidin’ny fahasahirana sy fankasarotana. Lasa Izy nijery tao, avy eo nilaza ka nanao hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho matahotra Aho fa tsy misy hiditra ao na dia iray aza nohon'ny fahasahiranana sy ny fahasarotanan'izany làlana makany izany. Ary rehefa noharin'ny Tompo Allah ny Afobe, dia Niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Mandehana jerevo ny ao anatiny, lasa Izy ka nijery tao anatiny. Avy eo tonga Izy ka Niteny i Jiborilo fa hoe : O ry Tompo ! Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho fa tsy misy Olona maheno ny ao anatiny amin'ireo sazy sy ny famaizana ary fahasarotanana, afa-tsy hoe hankahala ny fidirana amin'izany toerana izany ary ankalavitra tanteraka ireo antony mety hampiditra ny ao anatiny. Avy eo nirakofan'i Tompo Allah ny Afobe ary nataony ny làlana mankany dia ny fafinaretana sy ny fitiavana ny tsiron-javatra avy eo niteny Izy ka nanao hoe : O ry Jiborilo ! Madehana mijery ny ao anatiny. Lasa i Jiborilo (A.S) nijery ny tao anatiny, avy eo tonga Izy ka nilaza nanao hoe : O ry Tompo !, Mifanta sy mianiana amin'ny Herinao Aho, atahorako ary tsy hinoako fa tsy misy avotra amin'izany na dia iray aza; noho ireo zavatra manodidina azy amin'ireo fafinaretana sy ny fitiavan-javatra.

فوائد الحديث

Ny finoana fa ny Paradisa sy ny Afobe dia efa misy marina tokoa amin'izao fotoana izao.

Voadidy ny finoana amin'ny endrika Obligatoara fa tsy maintsy ny mino sy maneky an'ireo zavatra miafina sy ireo rehetra izay avy amin'i Tompo Allah sy ny Irany (S.W.A).

Ny mahazava-dehibe ny faharetana amin'ireo fahasahiranana satria izany no làlana mitarika mankany amin'ny Paradisa.

Mahazava-dehibe ny fisitana ireo zava-boarara, Satria izany no làlana mitondra mankany amin'ny Afobe.

Natao voarakitra ireo zavatra tsy ankasitrahana avokoa ny Paradisa, ary ny Afobe kosa dia amin'ireo zavatra nahitana fahafinaretana, ary izany rehetra izany dia fitsapana sy fesedrana ny amin'ny fiainana eto antany avokoa.

Làlana mankany amin'ny Paradisa dia sarotra ary mavesatra tokoa, ka mitaky faharetana sy ny fiezahana amin'ny fanekem-pinoana, ary ny làlan'ny Afobe kosa dia feno ireo zavatra matsiro sy ny fahafinaretana rehetra misy eto an-tany.