إعدادات العرض
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny, ka rehefa miteny ilay mpanompo hoe : {Alhamdo lillàhi Rabbil-A'lamìne}, dia hoy Allah : Nisaotra Ahy ny mpanompoko, ary raha miteny izy hoe : {Ar-Rahmànir - Rahìm}, dia hoy Allah : Nidera Ahy ny mpanompoko, ary rehefa miteny izy hoe : "Màlik Yawmiddìn", dia hoy Allah : “Nankalaza Ahy ny mpanompoko. Ary miteny koa izy hoe : “Efa natolony ho Ahy ny momba azy rehetra”, dia rehefa niteny izy hoe : “iyyàka na'bodo wa iyyàka nastaì'n” Dia hoy Allah : “Izany no manelanelana Ahy sy ny mpanompoko, ary mpanompoko dia hahazo izay angatahiny, ka raha milaza izy : {Ihdinas-swiràtal-mostaqìm, swiràtal-lazìna an'amta a'laihim, ghairil-maghdòbi a'laihim wala-dwàllìn", dia hoy Allah hoe : Izany dia ho an'ny mpanompoko, ary ho azon’ny mpanompoko izay angatahiny".
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Shqip Soomaali Српски Wolof Українська Tagalog O‘zbek தமிழ் Mooreالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah niteny ao amin'ny Hadith qoudsi manao hoe : Nozaraiko roa eo Amiko sy ny mpanompoko ny Sourah Al-Fatihah amin'ny swalat : Ahy ny antsasany, ary azy ny antsasany. Ny tapany voalohany : fiderana sy fisorana ary fankasitrahana an’Allah, ary valiako amin'ny valisoa tsara indrindra Izy. Ny tapany faharoa : fitalahoana sy fangatahana dia valiako izy, ka omeko izay nangatahiny. Raha miteny ny olona manao soalat hoe: {Alhamdo lillàhi Rabbil-A'lamìne}, dia hoy Allah hoe : midera Ahy ny mpanompoko, ary raha miteny hoe: {Ar-Rahmànir - Rahìm}, dia hoy Allah hoe : Nidera Ahy ny mpanompoko, ary niaiky ny Amiko fa Izaho no nanasoa ireo zavaboariko amin'alalany fahasoavana avy amiko, ary rehefa niteny izy hoe: {Malik Yawmiddin}, dia hoy Allah : Nankalaza Ahy ny mpanompoko, ary voninahitra lehibe izany. Koa raha milaza izy : iyyàka na'bodo wa iyyàka nastaì'n}, dia hoy Allah : Izany dia eo amiko sy ny mpanompoko. Ny tapany voalohany amin’ity andininy ity dia an’Allah, izany hoe : (iyyàka na'bodo), izay fanekena ny maha-Tompo an’Allah, ary famaliana ny antsony mba hanompo Azy, ary eo mifarana ny antsasany izay an’Allah. Ny tapany faharoa amin'ny andininy dia ho an'ny mpanompo : (iyyàka nastaì'n) mangataka fanampiana avy amin'Allah sy fanavotana izay nampanantenainy. Raha miteny hoe : {Ihdinas-swiràtal-mostaqìm, swiràtal-lazìna an'amta a'laihim, ghairil-maghdòbi a'laihim wala-dwàllìn", dia hoy Allah hoe : Izany dia talaho sy fangatahana avy amin'ny mpanompoko, ary efa azon'ny mpanompoko izay nangatahiny, ary hovaliako ny hatakany.فوائد الحديث
Ny maha zava-dehibe ny Sorate Al-Fàtihat, ka efa nantsoan'Allah Tsitoha izy io hoe :(soalat).
Fanazavana ny amin’ny fiahian’Allah Tsitoha ny mpanompony, rehefa nidera azy ka noho ny fiderana sy ny fankasitrahana ary ny fanamboniana azy, dia nampanantena fa hanome izay nangatahina aminy Izy.
Tafiditra ao anatin’io Sorate io ny fiderana an’Allah, ny filazana ny andro fitsanganana amin’ny maty, ny fitalahoana amin’Allah, ny fanompoam-pivavahana amim-pahatsorana Aminy, ny fangatahana fitarihana amin’ny làlana mahitsy, ary ny fampitandremana amin’ny làlan’ny diso.
Ny fahatsapan'ny mpivavaka an'io hadith io - raha mamaky ny Fatihat izy- dia mampitombo ny fanetren-tenany eo amin'ny soalat.