Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy

Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy

Tatitra azo avy tamin'i Annas (R.A) niteny hoe : Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandro taorian'ny fahalotoana lehibe (Janaba) tamin'ny alàlan'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy "modd", ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy. Ny " sàa' " : dia mirefy efatra "modd", ary ny "modd" : dia fatra mameno ny felatan'ny olona ontonina amin'ny habe.

فوائد الحديث

Ny maha ara-dalàna ny fitsitsina rano amin'ny fanaovana Ozo sy ny fandroana, ary tsy manao fandaniam-poana na dia betsaka ny rano aza.

Tsara ny fampihenana ny rano ampiasaina amin’ny ozo sy fisehana araka ny fatra ilaina, ary izany no fanaon’ny Mpaminany (S.A.W).

Ny tiana ho lazaina dia ny fanaovana ozo sy ny fisehana feno, miaraka amin’ny fitandrona ny Sonnah sy ny fomba fanao ary tsy misy fandaniam-poana na fitsitsiana, ary manaja ny fotoana, ny habetsahan'ny rano sy ny tsy fahampiany, sy ny hafa ankoatr'izany.

Ny Janabah dia ilazana izay olona namoaka tsirinaina na nanao firaisana, ary izany no iantsoana azy satria ny olona manao izany dia manalavitra ny vavaka sy ny fanompoana mandra-pahadiovany amin’izany.

Swaa’: Famarana fanta-daza, ary tiana ho lazaina dia Swaa'-n'ny Mpaminany, ary ny lanjany dia (480) mithqals amin’ny varimbazaha tsara kalitao, ary raha amin'ny litatra dia (3 litatra).

Ny Moudd: fandrefesana ara-dalàna, dia ny famenoana ny felatanan'ny olona antonony raha mameno azy roa izy ary mamelatra ny tànany anankiroa, Ny modd dia ampahefatry ny swaa' araka ny ifanarahan'ny mpahay lalàna, ary ny fatrany dia (750) mililitatra

التصنيفات

Ireo sounna amin'ny ouzou