“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray…

“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.”

Tatira azo avy tamin'i Abo Saeed Al-Khodri (R.A) niteny : Nivoaka ho any amin'ny toeram-pivavahana nandritra ny Eid-al-Adha na Eid-al -Fitr i Mpaminany (S.A.W), dia nandalo teo amin'ireo vehivavy izy ka niteny manao hoe : “Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nivoaka ho any amin’ny toeram-pivavahana tamin’ny andron’ny Eid ny Mpaminany (S.A.W) ary nampanantena ireo vehivavy izy fa hanao toriteny manokana ho azy ireo, ka notanterahiny tamin’io andro io, dia nilaza izy manao hoe: Ry vondron'ny vehivavy, mamoaha fanomezana ary mitadiava famelan-keloka matetika; Izy roa ireo no anisan'ny fomba lehibe indrindra amin'ny fanafoanana ny fahotana, satria izaho nahita tamin'ny voyage nataoko tamin'i ISRAA WAL-MIRAJ fa ianareo no mponina maro indrindra ao amin'ny afobe. Hoy ny vehivavy iray manan-tsaina, manam-pahaizana ary manana ny maha izy azy : Ry irak’Allah ô, inona no nahatonga anay ho lasa ankamaroan’ny mponin’ny Afobe? Hoy izy : Noho ny zavatra : Manozona sy manompa betsaka ianareo, ary mandà tsy manatanteraka ny zon'ny lehilahy. Avy eo dia namariparitra azy ireo i Mpaminany (S.A.W) tamin’ny teniny hoe : “Tsy mbola nahita ny tsy ampy saina sy fivavahana mahery noho izay manana fo, saina, tapa-kevitra, ary mahafehy tena amin’ny raharahany noho ianareo. Hoy izy : Ry irak'Allah ô, inona no tsy fahampian'ny saina sy ny fivavahana aminay? Hoy izy : Raha ny tsy fahampian'ny saina, ny fijoroana vavolombelona ataon'ny vehivavy roa dia mitovy amin'ny fijoroana vavolombelona ataon'ny lehilahy iray. Izany dia fihenan'ny saina, ary ny fihenan'ny fivavahana dia fihenan'ny asa soa, satria mandany alina sy andro tsy mivavaka izy noho ny fadim-bolana, ary miala amin'ny fifadian-kanina amin'ny andro Ramadany noho ny fadim-bolana, ka izany dia fihenan'ny fivavahana, saingy tsy omena tsiny amin’izany izy ireo ary tsy hahazo sazy, Satria voajanahary aminy izany, dia tahaka ny nahaterahan'ny olona sy noforoniny ho tia vola, ho maimaika amin'ny raharahany, ho tsy mahalala... sy ny sisa, fa tokony hisarika ny saina ho amin'izany ho fampitandremana amin'ny fakam-panahy amin'izy ireo.

فوائد الحديث

Tsara ho an'ny vehivavy ny mivoaka mamonjy Swalat Eid, ary hanokanana ho azy ireo amin'ny toriteny.

Ny tsy fankasitrahana amin’ny firahan'ny mpivady sy ny fanozonana matetika dia fahotana lehibe. Satria ny fandrahonana amin'ny afo dia famantarana fa lehibe ny fahotana.

Ahitana fanazavana momba ny fitomboana sy ny fihenan’ny finoana izay be fivavahana dia hitombo ny finoany sy ny fivavahany, ary izay mihena ny fivavahana dia hihena.

Hoy i Al-Nawawi : Ny saina dia manaiky ny fitomboana sy ny fihenana, ary toy izany koa ny finoana, ary ny fikasana hilaza ny tsy fahampian'ny vehivavy dia tsy manome tsiny azy ireo amin'izany; Satria avy amin'ny niandohan'ny famoronana izany, fa ny fampitandremana momba izany dia fampitandremana amin'ny fakam-panahy ataon'izy ireo, ary izany no nahatonga ny sazy nalamina araka ny voalaza momba ny tsy finoana sy ny zavatra hafa, fa tsy mifototra amin'ny tsy fahampiana, ary ny tsy fahampiana. Ary ny tsy fahampian'ny fivavahana dia tsy voafetra amin'izay mitarika ho amin'ny fahotana, fa zavatra ankapobeny kokoa noho izany.

Misy famerenana amin'ny mpianatra mahay sy ny mpanara-dia izay nolazainy raha toa ka tsy mazava aminy ny heviny.

Ao anatin'izany, ny fijoroana vavolombelona ataon'ny vehivavy dia antsasaky ny an'ny lehilahy, noho ny tsy fahampian'ny fifehezany.

Hoy i Ibn Hajar tamin'ny teniny : "Tsy mbola nahita vehivavy tsy ampy aho... sns. Satria raha izany no antony mahatonga ny olona tapa-kevitra hanary saina mandra-pamoany na milaza izay tsy tokony hataony, dia efa nandray anjara tamin'ny fahotany izy ireo ary nanampy izany.

Voarara amin’ny vehivavy ny mivavaka sy mifady hanina mandritra ny fadim-bolana, ary toy izany koa ny fandehanan-drà aorian’ny fiterahana, ka tsy maintsy manonitra ny fifadian-kanina rehefa madio izy.

Nanana toetra tsara ny Mpaminany (S.A.W) satria tsy misy herisetra na tsiny tamin'ny famaliany ny fanontanian'izy ireo.

Hoy I Ibn Hajar : Ny fiantrana dia manala ny sazy ary mety hanala ny ota natao teo amin'ny voary.

Hoy i Al-Nawawi : Ny fihenan'ny fivavahana eo amin'ny vehivavy dia noho izy ireo nandao ny fivavahana sy ny fifadian-kanina mandritra ny fadim_bolana. Izay mitombo ny fanompoam-pivavahana dia mitombo ny finoany sy ny fivavahany, ary izay mihena ny fivavahany dia mihena ny fivavahany, ka mety ho amin’ny fomba maha-mpanota azy ny fihenan’ny fivavahana, toy ny olona miala amin’ny fivavahana, na ny fifadian-kanina, na ny hafa amin'ireo fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao tsy misy fialan-tsiny, na mety amin’ny fomba tsy misy ota, toy ny miala amin’ny vavaka zoma, na ny ady, na ny ankoatra izany, dia tsy voatery ho azy tsy misy fialan-tsiny, ary mety amin’ny fomba tsy maintsy ataony izany, toy ny vehivavy tonga fadim-bolana miala amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.

التصنيفات

Lalàna sy fepetra ho an'ny vehivavy, Endriky ny Paradisa sy ny Afobe