إعدادات العرض
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy : Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî മലയാളം Kiswahili አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી دری Nederlands नेपाली پښتو ไทย Svenska Oromoo Кыргызча Română తెలుగు Lietuvių ಕನ್ನಡ Српскиالشرح
Ny Mpaminany (S.A.W) dia mitia sy mankafy ny manomboka ny zava-drehetra amin'ny ankavanana tamin'ny zavatra rehetra izay mendrika ho men-danja, isan'izany : Atombony amin’ny tongotra havanana rehefa manao ny kirarony, ary manomboka amin’ny havanana amin’ny fanaingoana ny volony sy ny volom-bavany sy ny fipasohana azy ary ny fanosorana menaka, ary eo amin’ny fanaovany Ozo dia sasany mialohan'ny ankaviany ny tànany havanana sy ny tongony havanana.فوائد الحديث
Nilaza i Nawawi manao hoe : Ity fitsipika ity dia mitohy hatrany ao amin'ny lalàna, izany dia izay rehetra misy lanjany sy voninahiny, toy ny fanaovana akanjo, pataloha, kapa, miditra ao amin'ny moske, ny fiborosina nify, ny manao vanja, ny manapaka ny hoho, manapaka volom_bava, mibango volo, manongotra ny volokelika, manasola ny loha, mamarana ny soalat, ary manasa ny faritra diovina amin'ny ratsam-batana, mivoaka ny trano fidiovana, misakafo sy misotro, mifandray tànana, mikasika ny Vato mainty, sy ny zavatra hafa izay misy dikany mitovy aminy, fa ny mifanohitra amin'izany kosa, toy ny hoe miditra ao amin’ny trano fidiovana, miala ao amin’ny moske, mipipi, manadio tena, manala akanjo, pataloha, kapa, sy ny sisa, dia tsaratsara ny manomboka azy amin'ny havia, ary izany rehetra izany dia natao mba hanomezam-boninahitra ny havanana sy ny lanjany.
“Mahafinaritra azy ny manao zavatra amin'ny havanana” tafiditra ao avokoa ny : fanombohana manao zavatra amin'ny tànana havanana, ny tongotra havanana, ny ilany havanana ary ny fanomezana zavatra amin'ny havanana.
Nilaza i Nawawi : Fantaro fa misy ampahany amin'ny faritra diovina rehefa manao Ozo dia tsy tsara atao ny manomboka amin'ny havana, dia ny sofina roa, ny felatànana roa, ary ny takolaka roa, fa diovina miaraka indray mandeha izy roa, fa raha tsy vita ny manao izany dia atomboka amin'ny havanana, toy ny amin’ny olona tapaka sy ny hafa ankoatr'izany.