إعدادات العرض
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo”
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo”
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny : Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo” Dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : “Assalam Alaikom Warahamatollahi - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah, avy eo dia nipetraka, dia namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : "Roapolo". Ary tonga ny lehilahy fahatelo dia niteny hoe : "Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh - Fiadanana anie ho aminao sy famindram-pon'I Allah ary ny fahasoavany". Dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : "Telopolo".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog Hausa Kurdî Русский Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Português ไทย తెలుగు मराठी دری አማርኛالشرح
Nisy lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana) ary namaly azy izy, dia nipetraka, ka niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Nanoratana asa soa folo ho azy, ary tonga ny iray hafa niteny manao hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah), dia namaly izy ka nipetraka, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Nahazo valisoa roapolo izy, avy eo dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahian'I Allah), namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : Nahazo valisoa telopolo izy. Izany hoe, valisoa folo isaky ny teny.فوائد الحديث
Ny tonga dia manomboka amin’ny fiarahabana amin'izay mipetraka.
Fitomboan'ny valisoa amin'ny fampitomboana ny teny fiarahabana
Ny fomba feno indrindra hanaovana ny fiarahabana dia : (Assalam Alaikom Warahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon'I Allah ary ny fitahiany), ary ny endrika tsara indrindra ho valin-teny dia toy izao : (Wa anlaikom Salam Wa rahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny ny famindram-pon'Allah ary ny fitahiany).
Ny haavon'ny fiarahabana sy ny famaliana dia samy hafa, ary ny valisoa dia hafa.
Mampianatra ny olona ny tsara sy manentana azy ireo mba hanatratra ny tsara indrindra.
Hoy i Ibn Hajar : Raha mitombo (sy ny famindram-pon’Allah) ny voalohany dia tsaratsara ny manampy (sy ny fitahiany), koa raha mitombo izy (sy ny fitahiany), azo atao ve ny mampitombo ny fiverenana? Toy izany koa, raha manampy ny “sy ny tso-dranony” ilay vao manomboka, dia azo atao ve ny manao izany, hoy i Malik ao amin'ny Al-Mowatta' tamin'ny tatitr'i Ibn Abbas (R.A) mifarana amin’ny fitahiana.