إعدادات العرض
Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo
Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaire (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Kiswahili Português සිංහල Nederlands Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી پښتو Hausa Tagalog മലയാളം नेपाली Magyar ქართული తెలుగు Македонски Svenska Moore Română Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរ ಕನ್ನಡ Yorùbá Српскиالشرح
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona nipetraka teo am-pivoriana ka nitsangana avy eo ary tsy nahatsiaro an'I Allah tamin'izany afa-tsy ny nitsanganany toy ny olona mivory manodidina ny fatin'ampondra amin’ny fofona maimbo sy ny loto. Izany dia noho izy ireo variana niresaka zavatra tsy misy fahatsiarovana an'I Allah, ary izany fivoriana izany dia fanenenana ho azy ireo amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, ary tsy fahampiana sy fanenenana ho azy ireo.فوائد الحديث
Ny fampitandremana voalaza momba ny tsy firaharahiana ny fahatsiarovana an'I Allah dia tsy voafetra amin'ny fiaraha-mivory ihany, fa mihatra amin'ny hafa hoy i Al-Nawawi hoe : Tsy tsara ny olona mipetraka amin'ny toerana iray ary miala amin'izany mialohan'ny fiderana an'I Allah.
Ny alahelo izay hanjo azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty : na amin’ny tsy fahampian’ny valisoa amin’ny tsy fanararaotana ny fotoana hankato an’I Allah, na amin’ny fahotana sy ny sazy noho ny fandanian’izy ireo ny fotoana amin’ny tsy fankatoavana an’I Allah.
Ity fampitandremana ity : Raha mikasika ny zavatra azo atao izany tsy fitandremana izany, dia ahoana ny amin'ny fivoriana voarara izay misy fanalam-baraka, fifosana, sns...?!
التصنيفات
Vokatsoan'ny fahatsiarovan an'Allah