“Izay miteny hoe : Sobhanallahi Wabihamdihi - Voninahitra anie ho an’Allah ilay Lehibe indrindra ary fiderana ho Azy, dia hambolena hazo atrendry izy ao amin’ny Paradisa.”

“Izay miteny hoe : Sobhanallahi Wabihamdihi - Voninahitra anie ho an’Allah ilay Lehibe indrindra ary fiderana ho Azy, dia hambolena hazo atrendry izy ao amin’ny Paradisa.”

Tatitra azo avy amin'i Jabir (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay miteny hoe : Sobhanallahi Wabihamdihi - Voninahitra anie ho an’Allah ilay Lehibe indrindra ary fiderana ho Azy, dia hambolena hazo atrendry izy ao amin’ny Paradisa.”

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì]

الشرح

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa izay niteny hoe : (Voninahitra ho an'Allah) ary nanome voninahitra ny tenany (lehibe) Izy sy ny toetrany ary ny asany (ary ny fiderana ho Azy), miaraka amin'ny fanampiana ny toetran’ny fahatanterahana ho Azy, Voninahitra ho Azy; Dia hisy hazo atrendry natsangana sy nambolena ho azy ao amin’ny tany Paradisa isaky ny nilaza izany izy.

فوائد الحديث

Famporisihana ny olona hahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha im-betsaka, anisan’izany ny fanomezam-boninahitra sy ny fiderana.

Malalaka ny paradisa, ary ny fambolan-kazo ao dia fiderana sy fisaorana, fahasoavana sy fitahiana avy amin’I Allah Ilay Tsitoha.

Ny hazo atrendry dia nisongadina tamin'ny hadith ankoatrany hafa, Noho ny soa maro sy ny vokatra tsara ao aminy; Noho izany, Allah Tsitoha dia nanome ohatra momba ny mpino sy ny finoany izany ao amin'ny CORAN.

التصنيفات

Tombotsoan'ny fanaovana Zikri